Ambany maso tsy hita toa vatan’orona ny andraikitry ny mpiraki-draharaha (greffier), hoy ny Sendikan’ny mpiraki-draharahan’ny Fitsarana eto Madagasikara na SGM tarihin’ny filohany Rakoto Andriamampianina Matthias. Raha miresaka Fitsarana dia matetika ny Mpitsara no tonga ao an-tsaina, nefa rafitra iray manontolo no miasa ary tsy azo sarahina amin’ny fahombiazan’ny asa ny Mpiraki-draharaha, hoy ny SGM. Ny matoan’ny didim-pitsarana dia soniavin’ny Filoha sy ny Mpirakidraharaha ary apetraka ao amin’ny Firaketan-draharaham-pitsarana. Araka ny Fehezan-dalàna, izy no manoratra sy mitahiry ny didim-pitsarana, ary tsy maintsy soniavin’ny Mpitsara sy ny Greffier ny didy fampisamborana na «mandat d’arrêt », raha ny andininy faha-101mikasika ny asan’izy ireo. Rehefa am-bava ny fangatahana hanombohana raharaha iray dia ny Mpiraki-draharaha no mandrakitra izany. Mpiara-miasa akaiky amin’ny Mpitsara izy, saingy manana andraikitra manokana mitaky fahamatorana sy fahalalana lalàna. Raha tsy mandeha tsara izany dia misy fiantraikany amin’ny fizotry ny raharaha sy ny manan-draharaha rehetra. Noho izany, mahitsy ity sendika ity milaza ny fanavaozana ny Fitsarana dia tsy tokony hijanona amin’ny fotodrafitrasa sy fitaovana ihany fa tokony hojerena ireo sokajin’olona miantoka ny fampandehanana azy isan’andro. Hatramin’ny 2014, hoy izy ireo, no efa nisy ezaka sy fifampidinihana momba ny satan’ny Mpirakidraharaha, ary manantena ny SGM fa mba hisy vahaolana maharitra amin’izao, izay nanipika fa tsy tombontsoa ho an’olona vitsivitsy izany fa ho an’ny olom-pirenena mitady rariny sy fahatokisana. Ny Mpirakidraharaha dia olona nandalo fifaninanana, fiofanana tao amin’ny ENMG, ary nanao fianiana hitandro ny fahamarinana. Ahitana azy avokoa ny ambaratongam-pitsarana rehetra, ary manamafy ny SGM fa fotoana izao hamitana ny fanavaozana efa natomboka. Na dia misy aza ny fisalasalana sy fiezahana hampihemotra izany, dia nilaza ny sendika fa tsy fotoana hifampitsikerana izao fa fotoana amahana olana sy hanatanterahana fanavaozana. Ny tompon’andraikitra mahefa dia afaka mandinika ny zava-misy iainan’ny Mpirakidraharaha sy ny fahombiazan’ny Fitsarana. Ny tena fanavaozana, hoy hatrany ity sendika ity, dia tsy mijery ny hita maso ihany fa mijery izay hahombiazan’ny rafitra. Raha tiana hahomby sy hanakaiky ny vahoaka ny Fitsarana dia tokony hojerena manokana ny Mpirakidraharaha amin’ny fahafahany manao ny asany am-pitoniana sy am-pahamendrehana. «Aoka ny fanavaozana efa natomboka ho vitaina hatramin’ny farany, ho an’ny Fitsarana, ny rariny ary indrindra ho an’ny vahoaka. », hoy ny SGM.
Toky R