airtel

Actualités

21-oct-2022

Actualités

Satrokala - Ihosy Navotsotra ilay voatondro ho nanao kolikoly

Sample post image

Lehiben’ny boriboritany iray ao amin’ny kaominina ambanivohitr’I Satrokala, distrikan’Ihosy no tratra ambodiomby nanao kolikoly saingy navotsotry ny fampanoavana rehefa niakatra fitsarana,

21-oct-2022

hoy ny fampitam-baovao voaray omaly, avy eo anivon’ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly na BIANCO. Lasa maha velona ahiahy tanteraka, hoy ity rafitra ity, manoloana ny tranga toy izao ny mety ho tohin’ny raharahana kolikoly avo lenta eto amin’ny firenena. Andro vitsivitsy taorian’ny nisamborana azy, nandalo tamin’ny fampanoavana tao Fianarantsoa, nandalo tao Ihosy dia nahazo fahafahana vonjimaika noho ny antony voalaza fa tsy ampy ireo porofo teo am-pelatanana. Maro koa ireo tranga nialoha izao izay naha tafala hatrany lehibena boriboritany tsy ho any am-ponja. Nitovitovy tamin’io koa ny tranga mahakasika ny lehiben’ny boriboritany iray mitantana an’i Befotaka ao Analalava, hoy hatrany ny BIANCO. Na ity rafitra ity aza moa dia nametra-panontaniana toy ny olom-pirenena maro ihany koa hoe mbola azo itokisana ve ny fitsarana malagasy
? J. Mirija
 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Misy toe-javatra mampiahiahy ao anatin’ny Fanjakana, indrindra fa eo amin’ny lafiny fikirakirana sy fanamarinam-bola ?

Card image cap
07-févr-2025

Ireo fikambanana, ONG ary mpiara-miombon'antoka rehetra nisitraka famatsiam-bola

Card image cap
07-févr-2025

Mahatratra 60 isa isan’andro eo ho eo ny fangatahana fisaraham-panambadiana tonga

Card image cap
07-févr-2025

Mbola betsaka amin’ireo ankizy mpianatra no tsy mahalala ny asan’ny mpamonjy voina sy ny tena

Card image cap
06-févr-2025

Nihatra nanomboka ny alin’ny 04 febroary 2025 ny fanitsiana ny vidin-tsolika eto Madagasikara izay lazaina fa

Card image cap
06-févr-2025

Tsy rariny raha olona milaza ny mba maharary azy no ampidirina am-ponja,

Card image cap