nasionaly momba ny lavanila (CNV). Ao amin’ny kitapom-bolan’ny CNV ireo vola ireo ary tsy nisy nipika na ariary aza”, hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny Alatsinainy 11 Marsa teo raha namaky bantsilana ny momba ny vola 4 dolara isan-kilao alaina amin’ny lavanila haondrana mankany ivelany. Ahitana taratra ny risi-pon’ireo mpandraharaha amin’ny fanajana ny fepetra noraisina izany satria izao tafakatra 46 miliara Ariary izao ny vola voaangona. Anisan’ireo andraikitra sahanin’ny CNV moa ny fanatsarana sy fitandroana ny kalitaon’ny lavanila malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ahafahana mametraka laboratoara hitiliana ny kalitaon’ny lavanila alohan’ny hanondranana azy, ohatra, ny vola eo am-pelatanana. Taloha mantsy dia niteraka fahasahiranana izany satria tsy manana izay fitaovam-pitiliana azo antoka izay ny Sampandraharaham-panjakana. Naneho fahavononana hampanjaka ny mangarahara moa ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) nanoloana ireo mpiara-miasa ao amin’ny Minisitera tetsy Ambohidahy ny Alatsinainy 5 Febroary izao. Niantso azy ireo izy hanao toy izany koa sy hiasa ho an’ny vahoaka.
Pati
Legende : Nandritra ny kabary notanterahin’ny Ministra Edgard Razafindravaha !
Avo lenta ny endrika isehoan’ny kolikoly eny anivon’ireo sampan-draharaham-panjakana eto amintsika.
Ory hava-manana ny malagasy, hoy ny fomba fiteny heno matetika taty amin’ny taonjato faha 20.
Raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako no ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny
Hotanterahana any Adis-Abeba ny 15-16 febroary izany hoe : ny sabotsy sy alahady izao ny
Tsy mitsahatra ny mitady izay fomba hanomezana fahafaham-po antsika mpihaino ny TOP RADIO FM 102.8.
Tena mampiady ny firehana politika tsy mitovy. Tsy ho an’ny olom-pirenena tsotra samy maneho hevitra dia