airtel

Actualités

19-juin-2026

SEHATRY NY FIZAHANTANY

Nametrahana famantarana

Sample post image

lehibe ny tananan'i Talatamaty

19-juin-2026

Miavaka ny tananan'i Talatamaty ao anatin'ny distrikan'Ambohidratrimo manomboka eto. Mba tsy hanahirana ireo mpizahantany vahiny sy ireo mponina avy amin'ny Kaominina hafa mantsy dia nametrahana sary famantarana eo afovoan-tanana. Karazana tsangambato mendrika zaridaina hahafahana mipetrapetraka sy maka sary izy io, izay teti-bolan'ny kaominina madiodio. Nambaran'ny Ben'ny tanana Raharinoasy Elie Dominic fa ny mba hahafahana mampiroborobo ny sehatry ny fizahantany eny amin'iny faritra iny no tanjona. Raha ny Kaominina Ivato mantsy no tena vavahadin'ny tanana dia manaraka azy avy aoriana Talatamaty izay marihina fa maro mpanao asa tanana sy tantsaha mpamokatra ihany koa. Tena tsy nanadino azy ireny koa ny Ben'ny tanana omaly. Tontosa teo amin'ny tokontany malalaky ny tranom-barotra Score ihany koa mantsy ilay hetsika Santa-bary, Santa-bokatra taona 2026. Haharitra 3 andro izy io natao hanasongadinana ireo vokatry ny tantsaha. Toraka izany koa ny mpiompy sy ireo mpanao asa tanana mba hahitan'izy ireo lalam-barotra sy mpiara-miombon'antoka. Trano eva manodidina ny 20 isa no miara-mandray anjara amin'izany. Tsiahivina fa sady mamatsy sakafo ny mponin'Ivato sy Talatamaty ireo tantsaha mpamokatra ao an-toerana no mamatsy ny mponina eto an-drenivohitra ihany koa isan'andro.
Pati
Légende : Nafana ny fitetezana ireo trano eva nataon'ny Ben'ny tanana !
 

Dans la même rubrique

19-juin-2026

no tsy manao ezaka mianatra»

Card image cap
19-juin-2026

Haverina ny lanjan’ny fampianarana teknika », hoy ny Minisitra Todisoa

Card image cap
19-juin-2026

nalentiny tao anaty rano ny zanany

Card image cap
18-juin-2026

manoloana ny raharaha Iran sy Etazonia

Card image cap
18-juin-2026

Lehilahy iray mpanao saribao naiditra am-ponja vonjimaika

Card image cap
18-juin-2026

mahazo 225 tapitrisa Ariary eo

Card image cap