airtel

Actualités

16-avril-2024

Sendika mahaleotena CUA

« Be loatra ny olana navelan’ny mpitantana ny kaominina teo aloha »

Sample post image

Betsaka ny olana navelan’ny mpitantana ny kaominina Antananarivo renivohitra teo aloha,

16-avril-2024

tsy mbola voavaha hatramin’izao raha ny fampahafantarana nataon’Andriamatoa Jaona Clément Nirintsoa filohan’ny Syndicat Autonome de la commune urbaine d’Antananarivo omaly. Ankoatra ny olana mahazo ny mpiasan’ny kaominy dia mihatriaka hatrany amin’ireo mpivarotra ny olana ankehitriny. Araka ny fitantaran’ny delegen’ny Esplanade sady filohan’ny fikambanan’ny mpivarotra ezaka ohatra dia nisy ny vola 600 000 ariary nalaina tamin’izy ireo no mbola tsy niverina hatramin’izao. Fa eo indrindra ihany koa ny omba ny SMGD, mahatsiaro izahay mpivarotra fa misy resaka fametsifetsena ilay tickes sy fitakiana vola amin’ny mpivarotra, hoy ny delege nitondra teny ; misy zavatra tsy rariny hoy izy. Olona efa marary any amin’ny hopitaly, tsy mivarotra ve dia mbola takiana handoa ticket ihany, hoy ny fitarainana omaly. Nisy moa ny fanambarana sy hetsika fanairana nataon’ny Syndicat Autonome de la commune d’Antananarivo omaly, mitaky ny hijerena vahaolana haingana ary hangatahin’izy ireo ny hisian’ny fivorian’ny filankevitry ny tanàna faran’izay haingana. Angatahan’ny sendika ihany koa mba tsy ho tara fandraisana karama fa tena mizaka ny mafy izy ireo, niantefan’izany antso manokana izany moa ireo banky eto an-drenivohitra.
Lalaina Rav
 

Dans la même rubrique

15-janv-2025

Samy velom-panontaniana ny mpanara-baovao tato anatin’ny herinandro izay manoloana ireo

Card image cap
15-janv-2025

Niparitaka nanomboka omaly ny didy fampikarohana an’i Bekasy Johnfrince. Karohin'ny polisin'ny

Card image cap
15-janv-2025

Raim-pianakaviana iray antsoina hoe Hery na Iaban’i Sarah no namoy ny ainy tao amin'ny Kaominina Ranotsara

Card image cap
15-janv-2025

Miha tery hatrany ny fahafaha-mivelona na fivelomana eto Madagasikara, indrindra, taorian’ny fidiran’ny

Card image cap
15-janv-2025

Ny lafiny famoronana sy fanatontosana, ireo sisa tena olana amin’ny sarimihetsika malagasy,

Card image cap
15-janv-2025

Efa kely sisa dia maherin’ny herintaona no nisian’ny ranobe tsy mety ritra etsy Andravoahangy ambany.

Card image cap