misy fepetra ireo fiara tsy nahazoana famotsorana haba mipetraka ao amin'ny seranantsambon'i Toamasina, araka ny posa-kevitry ny Minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola. Miisa 300 eo ireo fiara miangona ao an-toerana izay nambara fa manohitohina ny fivezivezena eo anivon'izany seranantsambo izany. Ny ankamaroany dia fiara eo an-kavanana ny familiana na nipetraka tao an-taonany maro. Nankatoavina ny fandravana sy fanapahana ireo fiara ireo ao amin'ny seranantsambon'i Toamasina ihany, ary ny hanaovana izany lavanty misy fepetra. Mba hialana amin'ny mety hanambarana indray ireo kojakoja noravana ireo (pièces détachées) dia ho tapaha ny "chassis" misy laharana hamantarana azy, esorina ny takelaky ny nanamboatra ny fiara (plaques constructeurs). Ny nahazo ny lavanty no mandray an-tanana ny saran'ny fandravana sy fanapahana izay atao eo ambany fanaraha- mason'ny sampan-draharahan'ny fandintseranana sy ireo sampan-draharaha teknika voakasika ary koa ny DGSR. Misy lalàna mazava mifehy ary komity manokana mikarakara io lavanty io, anatin'izany indrindra ny fampahafantarana amin'ny daholobe amin'ny alalan'ny haino vaky jery isan-tsokajiny mba tsy hisian'ny kitranoantrano fa afaka handray anjara malalaka izay te-hanao izany, hoy ny fanamarihana.
Toky R
Sary fanehoana
Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.
Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :
Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra
Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona
Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana
Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira