hoy Atoa Serge Imbeh Jovial izay efa kandida Filoham-pirenena teto ny taona 2018, mpahay toakerana,… Ny filazan’ny mpitondra sasany hoe : esory izay tsy mahavita dia efa impiry nanova governemanta, ka any ve no tena olona. Ny Praiminisitra no lehiben’ny fitantanan-draharaham-panjakana, izay no mitarika ny fanatanterahana ny PGE na ny Politika ankampoben’ny Fanjakana. Tsy manam-pahaizana amin’ny zava-drehetra ny Filoham-pirenena fa tokony ho voadidina olona manana traikefa samihafa, tsy hijerena volon-koditra, antoko,… hoy izy, izay nanipika fa tsy hoe : mitady toerana mandalo « trajet du désert » amin’ny politika satria manana ny zavatra ataony. Notsipihiny fa ny PGE dia misy zavatra 4 mila mazava sy voafehy : Inona no hatao ? Fomba inona no hanatanterahana azy ? Ahoana ny fotoana hanaovana azy ? Aiza ny rafitra manaraka ny fahatanterahany ? Manao ny asa ve ny parlementa eo anatrehan’izany ? Tsy mbola nahita aho, hoy izy, ary tsy mbola misy na Firenena iray eran-tany tsy manao fanintsiana tetibola fa hoe mety sy tena izy, hoy ity manam-pahaizana ity. Raha tena mety dia aiza sy ahoana ny fanatanterahana sy fanaraha-maso ny LFI ary efa mba nisy tatitra momba ny asa vita sy tsy vita ve? Hanao autoroute ohatra, izay mety tena ilain’ny rehetra, hahafahan’ny vokatra mivezivezy, ilain’ny toekarena,… Manao teleferika fa atao inona ? Ilain’ny vahoaka ve ? Olana rehefa manao propagandy na fandaharana ny hoe : izay te ho henon’ny vahoaka fotsiny fa tsy zavatra azo tanterahana, tsy zavatra ilain’ny Firenena,… Tsara ny filazana fa « champions» isika amin’ny indostria fa amin’ny endriny ahoana ? Inona no indostria vita raha tsy misy herinaratra ? Ny solika miaka-midina ka aiza no ahitantsika solika mora ? Tsy misy fahagagana ny fandrosoana ka tokony tenenina amin’ny vahoaka ny marina, hoy hatrany ny tenany. Ara-toekerana sy fampandrosoana ny politikan’i Donald Trump hoe ny volabe arotsany amin’ny OTAN izay 35% raha 2% ny an’ny Eoropeanina izay tena voaaro ao anatin’io dia fohanany hiarovany ny vahoaka, ny vola arotsaka amin’ny OMS, ny fiarovana sy fampiroboroana ny vokatra anatiny amin’ny alalan’ny fampiakarana 25% ny haba amin’ny vokatry ny firenen-kafa, hampiakarana ny fifandanjana ara-barotra izay miiba,… « Raha tsy ianao no mieritreritra ny firenenao dia tsy hisy olon-kafa hieritreritra ny firenenao » i Donald Trump, ary efa niteny tahaka an’io aho tamin’ny 2018, hoy i Serge Imbeh Jovial. Misy, hoy izy, ireo vokatra samihafa eto Madagasikara, miiba ny fifandanjana ara-barotra eto amintsika, kanefa ny vokatra anatiny ihany no afaka hampandrosoana ny Firenena.
Toky R
Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny
Tokony ahidina eny amin’ny Fokontany aza ka mandefa solontena any an-toerana ny
Nankalazaina omaly ny Andro afrikanina momba ny fomban-drazana na
Tsy mitsahatra ny manohitra ny tetikasa Base Toliara ireo mponina any an-toerana,
Zazavavy kely miisa 7, manodidina ny 3 hatramin'ny 14 taona,
Mitady ny fomba rehetra mba hahazoany vola mihitsy ny mpisoloky amin’izao.