airtel

Actualités

19-sept-2022

Actualités

Setroka nivoaka tamin’ny haram-bato Hisy fanadihadiana ara-tsiantifika hatao any Tritriva

Sample post image

Misy zavatra hafaha miseho ao amin’ny haram-bato manamorona ny farihin’i Tritriva, 15 km tsy hidirana an’Antsirabe. Ny alakamisy teo no nanomboka niseho ity trangan-javatra hafahafa ity

19-sept-2022

hoy ny vaovao ka maro ireo olona efa tonga nijery izany. Mandeha araka izany ny feo sao sanatria velona indray ilay volkano tao ambanin’ity toerana ity ka mahatonga ilay setroka mivoaka. Tsy tongan’olona tsotra mantsy eo anelanelan’ireo harambato ireo ka ahiana mety hisy zavatra hirehitra. Hisy araka izany ny fanadihadiana ara-tsiantifika hatao manoloana izao hafahafa izao hahalalana ny tena zava-misy marina hoy ny loharanom-baovao. Toeram-pitsangatsanganana moa no tena hahalalana an’i Tritriva hatramin’izay. Manintona mpizahan-tany vahiny maro izy raha mahatratra 160 metatra kosa ny halaliny. Ankoatra izay dia toerana mifono misitery ihany koa izy ary feno tantara avy amin’ny lovan-tsofina manodidina.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap