airtel

Actualités

15-mai-2026

sivery Mao Tse Toung

«Aoka ho rafitra

Sample post image

no hivoaka amin’ny fikaonandoha fa tsy olona!»

15-mai-2026

54 taona izay ny 13 may 1972, hoy ny mpamakafaka fiainam-pirenena sady mpanao gazety, Tsivery Mao Tse Toung, tonga nanontrona ireo akanga sisa nanamborana tamin’izany tolona fahiny izany tetsy amin’ny Kianjan’ny 13 may etsy Analakely, Antananarivo, ny alarobia teo. Tolona isan’ny nanamarika ny tantaran’i Madagasikara hialàna tamin’ny atao hoe fanjanahantany izany, hoy izy. Mbola anaty fahantrana tanteraka nefa ny firenena ankehitriny. Tolona efa nandingana jobily ilay resahana eto, izany hoe, tokony efa nahatonga fahafahana. Vao tamin’ny taon-dasa nefa no nifandritaritàna tamin’ny fitondràna nijoro teto ny fanamarihana izany daty izany. Tokony ho tantaram-pirenena nefa io. Misy daty betsaka omena lanja eto fa ny daty izay izay marihin’ny toerana nifampitaomana hatramin’izay rehefa misy tolona nifandimby teto amin’ny firenena nefa dia mbola tsy nisy nahatapa-kevitra izay mpitondra nifandimby teo hanome hasiny na ny tantara na ny tolona. Tsy nisy diso ny tolona natao teto saingy nisy nisandoka foana! Nivily lalana ilay tolona. Nampidaraboka fitondràna saingy namerina ny tsy fanaon’ny teo aloha foana. 2026 isika izao dia mametraka fanontaniana hoe ho aiza? Mila tafita ity tolona tamin’ny septambra 2025 ity! Tolona hanatsaràna ny fiainan’ny malagasy no andrasana. Mitady hanomboka indray io ny olan’ny jiro sy rano. Samy faly teo hoe afaka ny delestazy nefa dia nesorina ilay minisitra neverina ho nahatonga izany. Inona no antony? Matoa novàna dia tokony netinety kokoa noho ilay teo no nandimby saingy izay ve no hita ankehitriny? Tsy niomana hitondra ny mpitondra ankehitriny fa ny zava-nisy no nahatonga azy ireo nandray andraikitra. Nisy zavatra nahery vaika nandrasana ho vokatry ny tolona teo saingy mbola tsy tanteraka hatramin’izao. Tokony ho mbola azo tanterahana nefa izany ary andrasana mihitsy ny fahatanterahany. Tsy misy miteny mihitsy izao hoe tendreo ny sefo fokontany fa dia ny mpitondra nefa tonga dia manendry. Inona moa no atao manoloana izany? Izay mpitondra nandika ny tolona teto nefa dia niaraha-nahita fa niongana ho azy teo daholo. Tsy mila aongana akory. Matoa betsaka ny fiara raitra miodina eto fa tsy hoe «occasion» na farasisa toy ny taloha intsony dia misy vola miodina izany eto. Vola madio nefa sa maloto hamono ny malagasy indray? Matoa izany misy dia misy raha ao hoy ny fiteny. Aoka ho rafitra no hivoaka amin’ny fikaonandoha fa tsy olona! Maty ny tantsaha malagasy amin’izao fotoana izao. Raha ny tian’ny mpanambola teto dia efa 10.000 Ariary ny kilaon’ny vary androany. Tsy misy mpijery ilay vahoaka malagasy maro an’isa dia ireo tantsaha. Ahoana ny mikasika an’i Bemolanga sy Tsimiroro? Izao no fotoanan’ny fanovàna eto Madagasikara, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

21-mai-2026

aza ny fitondràna!»

Card image cap
21-mai-2026

no any Rosia Ambasadaoro 3 vaovao

Card image cap
21-mai-2026

telo volana, mbola mila ezaka be…

Card image cap
21-mai-2026

antsy ny vadiny sy ny zanany mirahavavy

Card image cap
21-mai-2026

amoron-dalana mibahana lalam-bahoaka

Card image cap
20-mai-2026

Fanjakana, nanolotra 150 tapitrisa Ar »

Card image cap