airtel

Actualités

24-avril-2024

SOANIERANA IVONGO

Olona 11 isa nokaikerin’ ny alika romotra

Sample post image

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

24-avril-2024

nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo. Ireo no fantatra raha araka ny vaovao azo izay mbola manaraka fitsaboana ao amin'ny Hopitaliben’i Soanierana Ivongo hatramin’ny omaly Talata 23 Aprily hariva fotoana nanoratanay. Ahitana zaza vao 4 taona monja ireo olona 11 isa ireo, nivoaka ny tokantranony ka nilalao teo an-tokontaniny ary sendra ilay alika. Efa misy ny ezaka hataon’ny tompon’andraiktra any Soanierana-Ivongo renivohitra, amin'ny famonoana ireo alika mirenireny sy tsy vita vaksiny. Manodidina ny 10 izy ireo no efa voasambotra hatramin’ny omaly ary efa novonoina sy naterina any amin’ny toerana tokony hisy azy. Mbola betsaka moa ireo olona manana alika any amin’ity distrika iray ity no fantatra fa tsy manao vaksiny ara-dalana ny biby fiompiny, antony miteraka izao aretina haromontana izao. Miteraka haromontana ho an’ilay olona voakaikitr’ilay alika romotra ihany koa anefa izany aretina mahazo ilay biby izany. Tsy azo lalaovina ny fitsaboana azy noho izany ary mety hahafaty mihitsy raha tara loatra.
Nangonin’i Pati
Legende : Nobataina tahaka izao ireo alika romotra efa tratra !
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap