Efa nisy toby tsy nahitana solika tany an-toerana omaly tolakandro. Ny fitokonan’ireo mpitatitra solika ao Toamasina no antony heverina mahatonga izao filaharana izao. Efa andro maromaro izay izy ireo no niroso tamin’ny fitokonana nentina nitakiana ny famoahana ireo namany, izay nosamborina sy notazonina noho ny filazana azy ireo ho mangalatra solika. Ireo manana tahiry no mbola afaka nanohy ny fivarotana. Ny solika misy fa ny fitsinjarana sy famatsiana ireo toby fivarotan-tsolika no nikorontana. Niteraka fikoropahana ho an’ny mpanjifa izany noho ny tahotra tsy hisian’ny solika na “psychose de pénurie”, ka ny gazoala no haingana dia haingana ny fahalaniany. Nanatanteraka fihaonana tamin'ireo mpitatitra solika izay mitokona ireo lehiben'ny mpitandro ny filaminana tao Toamasina, izay notarihany Tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina omaly tolakandro na teo aza ny "ordre de réquisition" nataon’ny Fanjakana nanery ireo mpitatitra solika hiasa. Fihaonana izay voalaza fa nikarohana vahaolana hiverenan’ny famatsiana solika ao an-toerana. Tapaka fa hisy ny “service minimum” ho an’I Toamasina ihany. Ho an’ny eto Antananarivo, dia afak’omaly no voalaza fa nisy “dépot” farany ny toby mpaninjara solika sasany, saingy tsy mbola nisy aloha ny fanahiana amin’ny mety ho tsy fisian-tsolika hatry ny omaly. Hanao ahoana anefa ny tohiny? Handrasana hisy voka-dratsy maro vao tena haravona ny olana? Tsy mba afaka ny hilamina fa dia avela hitaintain-dava foana ny vahoaka?
KRIZY LAVA, FAMPIJALIANA VAHOAKA, FIPOAHANA ARA-TSOSIALY
Endrika maneho hatrany ny toe-javatra tahaka izao, fa sasatry ny mamaha olana noho ny tsy fahaiza-mitantana ny mpitondra. Grevy etsy, fitokonana eroa, fitakiana atsy,… Ny mpandroaka fako ampahoriana amin’ny karama tapaka sy tapa-karama, ny mpandraharaha vonoina amin’ny tsy fandoavana ny volany tamin’ny tsenambaro-panjakana kanefa ny famoronan’asa tsy misy, ny mpitatitra sy mpampiasa fiara ampijaliana amin’ny fikorontanan’ny famatsiana solika sy ny làlana tapitra potika tsy voakojakoka, ny vahoaka trotraky ny krizy ara-toekarena miantraika any amin’ny vidim-piainana, ny mpandraharaha amin’ny indostria sy ny mpampiasa herinaratra potika ao anatin’ny delestazy lava tsy manam-pahataperana, ny tanin’ny madinika alain’ny vahiny an-keriny,… Atao mahagaga ve raha efa misy ny endrika fipoahana sosialy miseho amin’ny endrika samihafa: fanaovana barazy tamin’ny dabam-pako, fitokonana, fidinanana an-dalambe,… hita tamin’ny faritra samihafa ary mbola misy sehatra maro manambana hihetsika? Miteny ny tondro maro momba ny fahantrana sy fahoriam-bahoaka, raha tsy hampahatsiahy fa ny tatitry ny banky iraisam-pirenena fa ny 75,2% amin’ny Malagasy no miaina ambanin’ny 4000Ar isan’andro izany hoe: mbola 1euros latsaka raha toa ka ny miaina ambanin’ny 2,15euros na 10000Ar isan’andro eo no sokajiana ho mahantra fadiranovana, izay efa ny 80% mahery amin’ny Malagasy. Dia mbola sahy milaza ihany ve ny mpitondra ao anatin’izao endri-pitantanany izao fa Madagasikara tsy maintsy mandroso?
Toky R
Sary indrana
Goavana ny fanarenana miandry, raha ny toekarem-pirenena eto Madagasikara no asiana resaka.
Nipoitra indray ny Kolonely Charles Andrianasoavina izay isan’ny nanamarika ny tantara tamin’ny 2009
Nanomboka ny alatsinainy 13 ka nifarana ny alarobia 15 janoary 2025 tao amin’ny trano fivorian’ny Minisiteran’ny
Efa nahazatra ireo mpikirakira fifandraisan-davitra toy ny amin’ny alalan’ny finday hatramin’izay
Hita ho tena sahirana ny vahoaka malagasy, raha ny mikasika ny sosialim-bahoaka tamin’iny taona 2024 iny,
Niato sahady indray ny rotsak’orana izay neverina hifampitohy tao anatin’ny 3 andro,