ny taona 2018 dia namoaka, fa 41% latsaky ny 15 taona, raha toa ka 4,5% kosa no mihoatra ny 60 taona. Mametraka an’i Madagasikara ho manana mponina tanora indrindra aty amin’ny faritra Afrika Subsaharienne. Mitombo ny tahan’ny fitondrana vohoka sy fiterahana na misy fidinany kely aza, raha toa ka misy fihenany kosa ny fahafatesan’ny mponina tanora izay mitondra ny firafitry ny mponina ho tanora. Raha ny tombatombana napetraky ny Ivon-toeram-pirenena momba ny antontan’isa na ny INSTAT niainga tamin’ny petra-kevitra samihafa dia naneho ny fitomboana tsy azo hihodivirana eo amin’ny isan’ny vahoaka Malagasy. Ny taona 2018, 26,7 tapitrisa teo ny isan’ny mponina, raha toa ka 29,9 tapitrisa ho an’ny 2023 izany hoe : nisy fiakarana 3,2 tapitrisa tao anatin’ny 5 taona. Raha ny antontan’isa navoakan’ny INSTAT hatrany dia eo amin’ny 30 805 377 ny isan’ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao. Any amin’ny 2030, dia tombanana hahatratra 36,5 tapitrisa, ary avo roa heny ny taona 2043 satria heverina hahatratra 50,8 tapitrisa. Any amin’ny 2050 kosa dia eo amin’ny 59,5 tapitrisa ny vinavina. Isan’ny nambaran’ny mpitodra anatin’ny politika ankampoben’ny Fanjakana ny fanamafisana ny fandrindram-piainam-pianankaviana, mba tsy hiteraka be loatra kanefa tsy voakarakara, ka lasa vesatra ho an’ny ankohononana sy ny toekarena, ary ny firenena. Tena ilaina ny antontan’isa tahaka ny isan’ny mponina amin’ny fitantanana firenena. Ahafana mijery lavitra, mandanjalanja ny fanapahan-kevitra, mamaritra ny politikam-panjakana sy politikam-pampandrosoana mifanaraka sy mifanentana amin’ny isan’ny vahoaka, ny filany, ny olany,… mba tsy handeha an-jambany. Midika aloha io fa tsy mitsaha-mitombo ny olona, ary mitaky fitantanana mifandraika amin’izany, mitaky harin-karena mivoatra sy miabo hatrany hiatrehana ny fitomboana, mba tsy ho arakaraka ny fitomboan’ny mponina ny fiarakan’ny tahan’ny fahantrana. Ny zava-misy anefa hatreto dia tsy mitsahatra miha mahantra ny Malagasy noho ny tsy fahaiza-mitantana, efa maherin’ny 80% ny tahan’ny fahantrana. Raha mbola izao endri-pitantanana mandeha an-jambany sy fahoany fahoany izao dia mbola lavitry ny kitay ny afo ary miteny ho azy ireo tondro samihafa momba ny tahan’ny fahantrana, ny tondro ara-toekarena,…
Toky R
Nanentana manokana ny tanora izay maro an’isa eto amin’ny Firenena sy antoky ny ho avy mba tsy ho kivy ary
Nosembanin-drahona indray ny tontolon’ny fizahantany ! Nofoanana ny fiantsonan’ny sambo goavana na paquebot
Fantatra tsara ny fahorian’ny mponin’Andravoahangy syny manodidina noho ny rano be isaky ny avy ora.
Maro ireo mpanara-baovao no tsy nanampo fa mbola hisy rotsak’orana ihany teto Antananarivo renivohitra ny 3 desambra teo.
Hita tao anaty rano teny Namontana afak’omaly Talata 03 Desambra toerana nahaverezany ihany ny vatana
Ankizy miisa 200 no indray notolorana kopia mari-pahaterahana omaly Alarobia 04 Desambra tao amin’ny Kaominina