lasa teo Antetezambaro Toamasina II ny fifamindram-pitantanana ofisialy teo amin'ny Tale Jeneralin'ny Sekolim-pirenena manofana ho mpandraharahan'ny fonja na ny ENAP teo aloha Contrôleur Inspecteur d'administration Razafintsalama Désiré izay nitantana ny sekoly nandritra ny 10 taona sy ny vaovao Inspecteur Général d'administration pénitentiaire Razafindranamana Pierrot. Lanonana natrehan'ny DGAP Inspecteur général d'administration pénitentiaire en chef Rasamoelina Herinirina Roger, ireo manam-pahefana isan'ambaratongany, ny sendika SPAPM, ireo mpandraharahan'ny fonja maro be,... Mpandraharahan'ny fonja iray miambina voafonja 10 izay tena mbola lavitra ny fenitra na ampitomboina roa aza ny mpandrahahan'ny fonja amin'izao raha ny nambaran'ny DGAP, saingy mitohy ny ezaka ho fanatsarana hatrany. Mpandraharahan'ny fonja iray ho an'ny olona 4 eo moa ny fenitra iraisam-pirenena. Naneho ny Tale Jeneraly teo aloha fa nisy ny tanjona napetraka ka tao ny tratra fa nisy ny tsy tratra. Isan'ny olana hatramin'izay ho an'ny fampandehan-draharaha sy ny fampiofanana ny resaka tetibola, izay matetika isan-taona, dia 30-40% amin'ny tetibola, fa niezaka foana nikaroka vahaolana. Hafatra isan'ny napetrany ny fanajana ny deontolojia sy ny fitsipika ara-pitondrantena, ny tsy fitanilana indrindra fa ara-politika,... "Tsy handrava, fa hanatsara sy hanavao ny efa natomboky ny teo aloha aho.", hoy kosa ny Tale Jeneraly vaovao. "Misy ihany koa anefa ireo vina heverin'ny tena entina hampandrosoana ny sekoly. Ny zavatra rehetra atao dia miankina amin'ny ara-bola, ka raha tsy misy vola dia sahirankirana ihany na dia miezaka amin'ireo famatsiana avy amin'ny mpiara-miombon'antoka. Zava-dehibe ny famatsiana avy amin'ny Fanjakana Foibe, dia manatevina avy amin'ireo mpiara-miombon'antoka izay hotohizana sy hovelarina.", hoy hatrany ny Tale Jeneralin'ny ENAP vaovao Razafindranamana Pierrot, izay naneho fa hisokatra hatrany amin'ny fiaraha-miasa amin'ireo mpiara-miombon'antoka. Hamafisina ny fampianarana mba hifanaraka amin'ny teknolojia. Hamafisina ny fanajana ny maha olona sy ny ady amin'ny kolikoly. Ezahana haverina ny tanin'ny ENAP izay misy maka,... Misy ny fikasana ny hamindra ny fanofanana inspektera izay ao amin'ny ENAM ho any amin'ny ENAP, hiaraka amin'ireo grady efatra hafa, izay mbola misy lafin-javatra sy adihevitra maromaro hojerena. "Izahay sy ny hambom-ponay dia hoe aleo atao aty amin'ny ENAP saingy amin'ny lafiny iray dia ilain'ny fandraharahana ny fonja ny fisokafana, satria raha any amin'ny ENAM ireo mpianatra no mianatra dia hofanina ho mpiasam-panjakana ambony, mivelatra kokoa amin'ny lafiny fiofanana. Tsy maintsy hisy fandaminana ato ho ato, fa samy tsara ilay izy, efa afaka hisahana ny fampiofanana ho an'ny inspektera izay irariana ny hisian'ny fotodrafitrasa manara-penitra", hoy ny Tale Jeneralin'ny ENAP vaovao. Ankoatra izay, raha voafaritra fa 100ha ny tanin'ny ENAP dia 33ha sisa amin'izao satria hanjakan'ny olona, ka ezahana ny hamerina ny fananan'ny sekoly sy ny hamefy izany, hoy ny Tale Jeneraly vaovao. Ankoatra ny Tale Jeneraly moa dia nisy ihany koa ny fanendrena Tale misahana ny fitantanana ny vola vaovao, Talen'ny fampiofanana, Talen'ny fandaharan'asa fanaraha-maso ary ny fanombanana.
Toky R
Andrasana amin'ity herinandro ity ny fivoaran'ny