SRPJ (Service Régionale de la Police Judiciaire ) Fitaleavam-paritry ny ny Filaminam- bahoaka Ihorombe tao Ihosy ny lehilahy miisa 04 ny 23 Febroary lasa teo tamin'ny 04ora 45 minitra hariva rehefa nitazona sy nanao trafikana zava – mahadomelina. Loharanom - baovao avy amin'olona tsara sitrapo no nahafantaran ' ny Polisy fa misy taxi - brousse mitondra rongony niainga avy any Toliara nihazo an ' Antananarivo. Tsy niandry ela fa nirotsaka an - tsehatra avy hatrany moa ireo tompon’andraikitra, nametraka ny sakana teny amin 'ny lalam-pirenena fahafito, faritra Ihosy nanao ny fanaraha - maso sy nitsirika ireo mpandalo. Vokany, tra - tehaka nandritra izany ilay fiara voalaza. Tamin ' ny fisavana dia hita tao ambany seza, natao tsara afina, taorïan ' ny mpamily ny rongony miisa 15 sachets izay milanja 04kg. Nandritra ny fanadihadiana no nahafahana nisambotra ireo 03 lahy hafa tany Fianaratsoa. 04 ireo olona voasambotra noho izany dia mpamily ny fiara sy ireo tompon 'entana 03 ambiny.
Pati
Legende : Ity ilay taxi-brousse nitondra ilay rongony !
Goavana ny fanarenana miandry, raha ny toekarem-pirenena eto Madagasikara no asiana resaka.
Nipoitra indray ny Kolonely Charles Andrianasoavina izay isan’ny nanamarika ny tantara tamin’ny 2009
Nanomboka ny alatsinainy 13 ka nifarana ny alarobia 15 janoary 2025 tao amin’ny trano fivorian’ny Minisiteran’ny
Efa nahazatra ireo mpikirakira fifandraisan-davitra toy ny amin’ny alalan’ny finday hatramin’izay
Hita ho tena sahirana ny vahoaka malagasy, raha ny mikasika ny sosialim-bahoaka tamin’iny taona 2024 iny,
Niato sahady indray ny rotsak’orana izay neverina hifampitohy tao anatin’ny 3 andro,