airtel

Actualités

17-avril-2024

Tale Jeneralin’ny APIPA teo aloha

Nodimandry Rateloson Philippe

Sample post image

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

17-avril-2024

Raha araka ny vaovao azo dia tamin’ny Sabotsy 13 Aprily lasa teo izy no naiditra hopitaly. Afak’omaly Alatsinainy 15 Martsa kosa izy no namoy ny ainy rehefa notsaboina sy nialana nenina noho ny tsy fahasalamana nahazo azy. Tsiahivina moa fa anisan’ny nahavita be tamin'ny fandrindrana ny rano teto amin'ny lemak'Antananarivo Itompokolahy fony fahavelony ka nahatonga ny fahombiazan'ny famokaram-bary. Nampiavaka azy ihany koa ny fahaizany niara-niasa tamin’ny mpanao gazety izay mahazo vaovao hatrany isaky ny fotoana ilana izany, indrindra fa tao anatin’ny fotoam-pahavaratra izay nampiakatra ny rano. Namela mananontena iray sy kamboty miisa fito moa Itompokolahy raha miisa 10 kosa ny zafikely. Amin’ny Zoma 19 Aprily ho avy izao no halevina ny razana ka amin’ny 10 ora maraina no hiditra ao amin’ny fiangonana FPVM Antaninanandrano Ampandrana ny nofo mangatsiakany mialohan’ny hametrahana azy eny amin’ny fasan-drazany eny Ambohimasina Manjakandriana. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany ny gazety Tia Tanindrazana. Pati
Legende : Itompokolahy fony fahavelony !
 

Dans la même rubrique

HCJ
17-janv-2025

Tontosa omaly alakamisy 16 janoary 2025 teny amin’ny Fitsarana tampony Anosy ny fametrahana sy fianianana

Card image cap
17-janv-2025

Mihamahazo vahana hatrany ny tsy fisian-drano eto amintsika. Antony hitadiavan’ireo mpanao

Card image cap
17-janv-2025

Hisy fivarotana amin'ny alalan'ny lavanty kojakoja elektrika avy amin'ny Jirama,

Card image cap
17-janv-2025

Efa lasa manalavitra ny morontsirak’i Madagasikara hatrany hatramin’ny omaly hariva fotoana

Card image cap
17-janv-2025

Fahotana faratampony amin’Andriamanitra no sady miteraka ozona mahatsiravina ny Ray manam-bady ny zanany

Card image cap
17-janv-2025

Tovolahy iray manodidina ny 35 taona eo ho eo no fantatra fa hita faty tao anaty tano tao Ampitarihana,

Card image cap