airtel

Actualités

06-mars-2024

Tambajotra Facebook

Tratry ny olana teknika goavana omaly, betsaka no nikorapaka !

Sample post image

Gaga sy talanjona ny mpikirakira ny tambajotran-tserasera Facebook

06-mars-2024

ny andron’ny omaly, indrindra fa ny takariva noho ny fahatapahan’ity tambaotra ara-tsosialy isan’ny be mpampiasa indrindra maneran-tany ity. Betsaka no nieritreritra fa nisy nanao « piraty » na nisy niditra ny kaontiny, ka na namerimberina niditra aza tsy tafiditra nandritra ny ora iray teo omaly takariva nanodidina ny tamin’ny 6ora, raha ny teto amintsika, ary betsaka aza no mbola nanana olana taorian’izay. Mbola betsaka aza ireo "option" tsy nandeha, toy ny "Photo de couverture", mbola tsy nipoitra ny "historique de recherche" sy ny maro samihafa omaly takariva. Voakasika ihany koa ny Instagram sy ny Messenger. Fahatapahana nanerana izao tontolo izao na « panne mondiale » no nitranga. Tsy tena nanome fanazavana mikasika io ny orinasa Meta an’ilay mpanefoefo Amerikanina Marc Zuckerberg, saingy nanaiky fa tena nisy ny olona ary efa miasa hamahana izany, tamin’ny alalan’ny mpitondra teniny Andy Stone. Misy kosa no milaza fa tafiditry ny « pirates » na « hackers » ny serveur na ny fitaovana lehibe mibaiko sy mandritra ity tambajotra ity. Ny oktobra 2021 no nisy tranga goavana nitovitovy tamin’io, raha tsiahivina. Ho an’ny eto Madagasikara, ny antontan’isan’ny orinasa Kepios tao anatin’ny tatitry « Digital Report 2024 », azo rehetra nojerena nanomboka ny 23 febroary lasa teo, dia nitatitra fa 3,8 tapitrisa eo ny olona mikirakira sy mampiasa facebook. Nisy fiakarany 28,8% na 850 000 eo ireo mpampiasa vaovao ity tambajotra ity tao anatin’ny herintaona teo anelalanelan’ny fiandohan’ny 2023 sy 2024. Ny 60,2% amin’ny mpikirakira ny tambajotra internet dia ny mpampiasa tambajotra ara-tsosialy. Zary manomboka tsy misaraka amin’ny andavanandron’ny mponina indrindra fa ny an-tanan-dehibe ity tambajotran-tserasera ity, izay ampiasaina amin’ny : serasera, dokam-barotra, hanaraham-baovao,… Betsaka ihany koa anefa ny zavatra tsy azo antoka amin’izy io ka ilana fitandremana be satria misy ny mampiasa azy ho saham-pisolokiana, hanaovana asa ratsy,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Misy toe-javatra mampiahiahy ao anatin’ny Fanjakana, indrindra fa eo amin’ny lafiny fikirakirana sy fanamarinam-bola ?

Card image cap
07-févr-2025

Ireo fikambanana, ONG ary mpiara-miombon'antoka rehetra nisitraka famatsiam-bola

Card image cap
07-févr-2025

Mahatratra 60 isa isan’andro eo ho eo ny fangatahana fisaraham-panambadiana tonga

Card image cap
07-févr-2025

Mbola betsaka amin’ireo ankizy mpianatra no tsy mahalala ny asan’ny mpamonjy voina sy ny tena

Card image cap
06-févr-2025

Nihatra nanomboka ny alin’ny 04 febroary 2025 ny fanitsiana ny vidin-tsolika eto Madagasikara izay lazaina fa

Card image cap
06-févr-2025

Tsy rariny raha olona milaza ny mba maharary azy no ampidirina am-ponja,

Card image cap