airtel

Actualités

29-juil-2026

Tamberiny avy amin’Ambatovy

98,2 miliara teo anelanelan’ny 2022-2025

Sample post image

Hatramin’ny Septambra 2020

29-juil-2026

ka hatramin’ny Desambra 2025, mahatratra 98,2 miliara Ariary ny tamberiny avy amin’Ambatovy ho an’ireo faritra voakasiky ny tetikasa, ka efa nafindra taorian’ny desambra 2025 ny 97,9 miliara Ariary, araka ny tatitry ny Minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola. Kaominina manodidina ny 20 anatin’ny faritra Alaotra Mangoro, Atsinanana no misitraka izany. Raha ny tarehimarika ofisialy, ny faritra Alaotra Mangoro no nahazo vola betsaka indrindra, mihoatra ny 20 miliara Ariary, manaraka azy ny faritra Atsinanana izay nahazo 13 miliara Ariary. Ambohibary no isan’ny misitraka betsaka izay mahatratra 19,7 miliara Ar, arahin’Andasibe 13,9 miliara Ar, raha ny kaominina no ambany indrindra izay 374,6 tapitrisa Ar. Ireo kaominina toy ny Moramanga, Andasibe, sy Toamasina Suburbaine no isan’ny nahazo ampahany lehibe. Araka ny tatitra navoakan’ny Ministeran’ny Harena Ankibon’ny Tany, mazava tsara fa ny fizarana ny vola avy amin’ny « ristournes » avy amin’Ambatovy dia natao hanamafisana ny fampandrosoana eny ifotony. Ny fitsipika napetraka ny fizarana fa ny 30% ihany no azo ampiasaina amin’ny fandaniana fampandehanan-draharaha toy ny fividianana kojakoja sy fitaovana, raha ny 70% kosa dia tsy maintsy atokana ho an’ny tetikasa fampandrosoana maharitra. Tanjona ny hahazoana vokatra mivaingana sy maharitra amin’ny fampiasana ireo vola, ka ho porofo fa ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany dia mitondra tombontsoa mivantana ho an’ny mponina eny ifotony. Mbola tazonina ao amin’ny « compte d’attente » ny anjaran’ny faritany Toamasina mandra-pahavitany ny fametrahana ara-dalàna ny rafitra faritany, mba hisorohana ny tsy fahatomombanana amin’ny fitantanana, araka ny fanazavan’ny « Direction de la Comptabilité Publique ». Heverina fa mba hanova ny endriky ny faritra maro amin’ny alalan’ny fotodrafitrasa sy asa fampandrosoana mivaingana ny fisiana tetikasa lehibe tahaka itony, mba hanaporofoana fa ny harena ankibon’ny tany dia tokony loharanon-karena ho an’ny vahoaka fa tsy ho an’ny orinasa ihany.
Toky R

 

Dans la même rubrique

29-juil-2026

Nanomboka teny amin’ny tobim-pamokarana

Card image cap
29-juil-2026

Miantso ny fanjakana hijery ny tsenam-barom-panjakana ! »

Card image cap
28-juil-2026

Ahiana ny sabotazy goavana taorian’nytenin’ny PRRM

Card image cap
28-juil-2026

Nanome antoka ny ESAAMLG ny Fanjakana Malagasy

Card image cap
28-juil-2026

Tiana ampangaina ho mpamboly

Card image cap