Tsy mitsaha-mivoatra ny tananan'Alasora, kaominina 1 amin'ireo 16 mandrafitra ny distrikan'Avaradrano. Foto-drafitrasa miisa 3 goavana no indray notokanana tao an-toerana ny faran'ny herinandro teo notarihin'ny Ben'ny tanana Randriantsoa Jimmy. Nambarany nandritra fandraisam-pitenenana natao fa anisan'ny andro lehibe ho azy eo amin'ny fiainany ny fahavitan'ireo foto-drafitrasa ireo satria tafiditra tao anatin'ireo vinany tena manan-danja. Nambarany nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony fa andro lehibe teo amin'ny fiainany ny fahavitan'ireo foto-drafitrasa ireo satria tafiditra tao anatin'ireo vinany tena manan-danja. Lohalaharana amin'ireny ny fahavitan'ny efitrano vaovao fanaovana fisoratam-panambadiana mba hanomezan-danja ny fiainam-pianakaviana. Eny amin'ny domaine no toerana vaovao misy azy io. Efa tena tery mantsy ilay teo an-tokontanin'ny kaominina teo aloha. Mahatratra 500 isan-taona anefa ireo mpivady tonga misoratra eny anivon'ny kaominina Alasora. Manampy trotraka izany ny fitohanan'ny fiara izay lasa mibahana ny arabe. Toraka izany koa ny birao vaovao hiasan'ireo polisy kaominaly izay efa miisa 24 ankehitriny miaraka amin'ny kamiao vaovao iray, fanomezana vaovao avy amin'ny Ben'ny tanana sy ny mpanolontsaina. Teo koa ny Bureau Local de l'aménagement du territoire hahafahana mifehy ny resaka fanajariana ny tany eo anivon'ny kaominina. Maro mantsy hoy ny Ben'ny tanana Randriantsoa Jimmy ireo olona mividy tany tsy mahalala akory ireo karazana asa fanorenana azo hatao na tsia eo amin'ilay toerana ka ny fisian'io birao io no hampahafantatra azy ireo izany, mialohan'ny handoavany vola. Nomarihin'ity Ben'ny tanana ity moa fa maro ireo sakana sy fandrahonana nahazo azy tamin'ny fananganany ireo foto-drafitrasa mamaly ny filan'ny vahoaka ireo. Anisan'ny nanampy sy nanohana azy anefa ny Ministeran'ny fanajariana ny tany tamin'ny alalan'ny sekretera jeneraliny ka vita soa amantsara ihany ny asa.
Pati
Légende : Nandritra ny fitokanana ny foto-drafitrasa !
Andrasana amin'ity herinandro ity ny fivoaran'ny