airtel

Actualités

12-févr-2024

Tanin’olona voalaza fa lasana teratany arabo

Raikitra ny antso vonjy ao Nosy Be Hell Ville

Sample post image

Toerana isan’ny ahitana ady tany maro ao Nosy Be ! Renim-pianankaviana iray antsoina hoe :

12-févr-2024

Marie Jeanne no velon-taraina ankehitriny, fa lasan’olona tamin’ny fomba hafahafa ny taniny mirefy 1Ha 33 A 88 Ca vita titra ara-dalàna laharana TN°1519-BO, tamin'ny taona 3 desambra 1993, tany antsoina hoe "Yssabhay" ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be. Voalaza fa Ramatoa iray teratany arabo antsoina hoe Fatima no nasaina nikarakara ny fambolena nisy tao amin'io toerana io no fototr'olana. Nandritra ny fikarakarana ny fambolena tao, nangataka ny hanao trano falafa iray nipetrahany tao izy, izay voalaza fa nasaina nikarakara ny voly toy ny manga, voanio sy ny maro hafa, raha ny fanazavana. Ny nanaitra tamin'ity raharaha ity dia nahazo "Fizakantany anatin'ny fotoana ela" na "Prescription acquisitive" ilay Ramatoa Fatima ny taona 2015, izay mirefy 37A 00 Ca, tao anatin' ilay tany "Issabhay" TF N°15119-BO, izay an-dRamatoa Marie Jeanne, hoy ny fanazavana. Voalazan’ny lasibatra anefa fa tsy manana "plan" akory ity Ramatoa Fatima, izay efa 90 taona teo ho eo tamin’izany, ary tsy misy ny "certificat de nationalité", hoy ny fanamarihana. Voalazan’ny lalàna moa fa 20 taona nanamaintimolaly ny tany vao afaka manao ny fangatahana hahazoana ny "Prescription acquisitive". Tsy mbola ampy telo volana tamin'ny fombam-pitsarana "procédure" dia efa nivoaka ny didy, izay manaitra tokoa, amin'izao fahazoan-tany tamin'ny fomba tsy mazava izao, hoy ny ankilany. Nitady hevitra indray ireto naka ny tany, ka nangataka "ordonnance", hanaovana ilay "plan". Rehefa nivoaka ny didy, dia ilay tany taty anoloana, izany hoe, amoron-dalana misy ilay tanin'i Marie Jeanne, tsy tokony ho voakitika no nofaritan'izy ireo, raha toa ka tany amin'ny farany aorian'ilay tany no nisy ilay trano falafa nipetrahan'ilay Rtoa Fatima, izay isehoan'ny fifanolanana. Efa nisy ny fanohanana nataon'ny tompon'ny tany, Rtoa Marie Jeanne, manoloana ireo zavatra tsy manjary ka nahazoana io ampahana tany io. Voalaza fa tao an-toerana ny tenany, kanefa fomba iray nambaran'ireo naka ny tany ny filazana fa tsy ao an-toerana ny tompony, ka nahafahan'izy ireo nanao fangatahana ny tany, raha ny fanamarihana. Naneho fa mipetraka ao Nosy Be soa aman-tsara Rtoa Marie Jeanne. Noho io fangalarana ny tany amin'ny fomba tsy mazava io, dia nisy fiantraikany tamin'ny fahasalamany ny zava-niseho satria niafara tamin'ny fahatapahany lalandra izany.
MANAITRA NY FANJAKANA
Nambarany fa nisy ny trano izay nataony teo amin'io tany io ary mbola mandoa hofantrano any aminy avokoa ireo olona ao. Nanamafy izany rahateo i Alain Elysé mpanamboatra trano fa miisa dimy ny trano naorina teo niampy garazy iray, izay naorina ny taona 2009, 2011, 2012-2013, 2014 ary ilay garazy ny taona 2012. Nambaran'ny avy amin'ny ankilany fa tsy eto Madagasikara i Marie Jeanne, nefa dia teo an-toerana hatrany. Nanamafy izany ny fanateran'i Alain Elysé manome ny hofan-trano isam-bolana, raha ny fanazavany. Ankoatra izay, nisy ny famarotan'ny tompony io tany io tamina Orinasa iray, izay nosakanan'ny Mpikajy ny fananan-tany na dia misy aza didim- pitsarana. Manampy izay, nisy ny baiko avy amin'ny Primatiora in-telo miantoana saingy fandavana hatrany no niseho. Voalaza ihany koa moa fa misy dosie eny anivon’ny PAC (Pôle Anti-Corrumption) nipetraka ny 13 jolay 2023 mikasika ity heverin’ny lasibatra fa fakana ny taniny tamin’ny fomba tsy ara-dalàna ity ka andrasana ny tohiny. Misy moa ny fanamarihana fa tsy mipoitra hatrany ny andaniny rehefa misy raharaham-pitsarana mandeha. Manao antso avo amin’ny Fitondram-panjakana mahefa ny tompon'ny tany manoloana ny ambarany fa fangalarana ny taniny tamin'ny fomba tsy mazava.
Toky R
Légende : Rtoa Marie Jeanne, ilay renim-pianankaviana milaza fa lasan’olona tamin’ny fomba hafahafa ny taniny


 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap