airtel

Actualités

23-févr-2024

Tany 7 ha lasan’ny sinoa eny Antsofonondry

Trano 15 narodana tsy nisy indrafo, tsy misy mpiahy ny vahoaka…

Sample post image

Miharihary hatrany ny maha olana goavana eto amin’ny firenena ny

23-févr-2024

tontolon’ny fananan-tany, izay isan’ny raharahan’ady betsaka indrindra eny amin’ny Fitsarana. Trano miisa 15 eo ho eo no narodana tsy misy indrafo omaly teny Bemahatazana Antsofonondry Sabotsy Namehana, rehefa voalaza fa lasan’ny orinasa sinoa ny tany hatrany amin’ny 7ha mitondra ny anarana «Villa Fiadanantsoa V». Matoa aloha izany tonga amin’izao dia nisy didim-pitsarana, saingy betsaka ihany ny ahiahy hoe : tratry ny kely tsy mba mamindro na tojo ny mahitahita sy ny mena ambonin’ny mena ve ireo fianankaviana dia nampitondraina faisana tao anatin’ny iray andro io, ka fananana nohariana tao anatin’ny am-polo taonany maro no narodana tao anatin’ny 5 minitra monja ? Raha ny fanazavana, orinasa sinoa antsoina hoe Medi no voalaza fa nahazo ny tany 7ha izay voalaza fa tanindrazan’ireo fianankaviana lasibatra. Efa nandeha fitsarana ny raharaha, hatrany amin’ny taona taona 1973 no nandovan´ny taranaka ny tanin´i Rasamoelina sy Ratsaraide razambeny ny tany Villa Fiadanatsoa V, hoy ny fanazavana. Efa 51 taona lasa izany ireto fianankaviana ireto no teo amin’ity tany ity, ary misy fasan-drazana rahateo ao amin’ilay toerana. Voalaza anefa fa nisy nangalatra anefa ny bokin-tany, ary tany amin'ny tera-tany karana no hita, io karana io indray no nivarotra tamin´ny sinoa tompon´ny orinasa Medi. Voalaza fa io olona nangalatra io no nivarotra ny tany, izay efa nigadra taorian'ny fifanenjehana, tsy nisy azo natao intsony kosa ny momba ny tany, raha ny fanazavana. Nisy mihitsy ireo fianakaviana niharan'izany. Voalaza ho afak’omaly izy ireo vao nahazo fampahafantarana ary nisy ny tsy nahalala akory. Vokany, nirosoana ny fandrodanana, ka tranon-drazana sy ny fasana sisa tsy nokitihina, fa nasesy noravana tamin’ny alalan’ny « bulldozer » sy baramina ireo trano na kely na lehibe izay tena tsara sy raitra, nandaniana vola tsy toko tsy forohana, saingy rava tao anatin’ny minitra vitsy. Tamin’ny 4 ora sy sasany maraina no efa nanemitra ny tanàna ny zandary, ary tamin´ny 5 ora sy sasany maraina no nanomboka ny fandrodanana. Niezaka nisakana ny mponina fa tsy nanaiky ny mpandrava, niangavy izy ireo ny tsy handrodanana ny trano fa foiny ny tany ,saingy notohizana ny fandravana,ny entana tototra tao,nogiazana ny tanàna ,tsy afaka haka ireo sisa entany ny mponina, hoy hatrany ny tati-baovao. Tamin’ny alahelo sy ranomaso ary nisy torana, ary nisy tapaka lalan-dra mihitsy aza no noho ity zava-nitranga ity.
MBOLA MISY FANJAKANA AZON’NY MADINIKA IALOFANA VE ?
Marina fa ny taratasy no mibaiko amin’ny raharaha tahaka itony, saingy miharihary hatrany kosa ny kely tsy mba mamindro, tsy fijerena ny maha olona,… Taratasy izany azo atao foana, ary ny vola no mikaonty sy mibaiko ao anatin’izany raha ny zava-misy amin’ny ankampobeny, ary mitombo ny fampanjazakana sy fanomezana vahana ny vahiny mpanam-bola ka lasa mangatak’atiny eto amin’ny taniny ny Malagasy. Malagasy avokoa anefa ny any amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana toy ny amin’ny lafiny fananan-tany, Malagasy ny mpitondra Fanjakana izay tokony hiahy sy tena hijery hoe : ahoana marina ny fandehan’ny raharaha tahaka izao, manao ahoana ny lalàna, ary tena am-pahamarinana ve ny fahazoana olona vondron’olona tanim-bahoaka ? Ahoana ny fipetraky ny lalàna satria raha ny tena izy dia tsy afaka mividy tany ny vahiny fa fanofana maharitra na « bail emphytéotique » ihany? Marina fa mety mandresy ara-taratasy ny ankilany saingy mety tamin’ny alalan’ny ady an-kafetsena raha dinihina amin’ilay tantara ! Tena tsy maintsy tonga tamin’izao famonoana vahoaka mivantana izao ve tsy nisy zavatra na fepetra na lamina avy amin’ny Fanjakana ? Mbola misy Fanjakana azon’ny vahoaka madinika ialofana ve sa efa ny didin’ny be sandry no manjaka eto ka izay manam-bola sy manana fahefana no miady eto ka izay malemilemy dia potraka ? Nahoana no mitazam-potsiny ny mpitondra Fanjakana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap