airtel

Actualités

20-mai-2025

Tany mirefy 20ha ao Analabe, Amboasary gara

«Ny miditra an-keriny indray no milaza fa iharana fibodoana»

Sample post image

Misy ny didim-pitsaràna mikasika ny fifanolanana ara-tany eo amin’ny orinasa

20-mai-2025

Fanalamanga sy ny olona arovako, hoy ny mpisolovava, Maitre Victorine Rasoloheriarisoa Ravonjiarivelo. Nandrara ny Fanalamanga tsy hanelingelina intsony ny tompon’ny tany izany, hoy izy. Nanamafy io didy io fa an’ny tompon’ny tany ara-dalàna ny tany izay antsoina hoe «Trois frères», misy titra sy baorina efa hatramin’ny taona 2017 io. Rehefa navoakan’ny sampan-draharahan’ny fananan-tany ny fahazoana ny titra ara-dalàna, neken’ny fanjakàna tamin’ny alalan’ny prefe izay nanao taratasim-barotra na «acte de vente» izany ary nahazoan’ny olona arovako titre ara-dalàna na «titre définitif». Ankehitriny dia miditra an-keriny ao amin’io tany mirefy 20ha ao Analabe, kaominina Amboasary gara, distrikan’i Moramanga io ilay orinasa. Tsy vitan’izay fa avy hatrany izy dia mampanapaka ireo hazo maniry eo amin’ilay tany. Hazo maniry voajanahary nefa ireo fa tsy nambolen’ny Fanalamanga. Voamarina izany satria nisy fitsirihina nataon’ny tompon’ny tany niaraka tamin’ny Fanalamanga, ny fiadidiana ny ala ary nanamafy aza io orinasa io fa fafy nanahary ireo hazo ireo, izany hoe voajanahary. Manamarina ny lalàna fa manana fahefàna feno ny tompon’ny tany eo amin’ny tany ananany titra. Sady tompon’ny ao ambany izy no tompon’ny ao ambony. Rehefa tsy ny Fanalamanga no namboly ireo hazo ireo dia mazava ho azy fa ny tompon’ny tany no tompony. Tsy izay nefa no nitranga fa avy ry zareo dia tonga teo nanome fanomezam-pahefana hanapaka na «autorisation de coupe» an’ireo hazo ireo ho ana olon-tsotra hanapaka hazo amin’ilay toerana. Fandikàn-dalàna in-droa miantaona izany. Niditra an-keriny amin’ny tany izy na dia efa noraran’ny lalàna aza tamin’ny alalan’ilay fitsaràna. Io fitsaràna io dia ny Fanalamanga no nitory ny olona arovako, nitory ny tompon’ny tany tamin’izany fotoana izany, nangataka ny fanafoanana ny titra, fanafoanana ny didim-pitsaràna. Tamin’ny alalan’izany no nangatahan’ny olona arovako ny amin’ny tsy hanelingelenana intsony azy ireo. Nanamafy ny fitsaràna rehefa namoaka didy fa tany misy tompony io ary tsy azo enjehina intsony satria efa «titre définitif». Ilay orinasa tsy nanana porofo mihitsy fa azy io tany io. Fandikàn-dalàna faharoa nataony ny fanomezana alalana hanapaka hazo. Tsy anjarany mihitsy izany. Ny sampan-draharahan’ny rano sy ny ala no hany manana alalana hanao izany na ho an’ny tanim-panjakàna io na ho an’ny tanin’olon-tsotra, eny fa na dia ireo tany nambolen’ny Fanalamanga ny hazony aza. Rehefa nanapaka hazo moa ny Fanalamanga dia voatery nanao fitoriana teny amin’ny fitsaràna, izany hoe teny amin’ny fampanoavana, ny tompon’ny tany. Efa any amin’ny zandarimarian’i Moramanga ny raharaha. Fantatr’ity orinasa ity tsara ny fandikàn-dalàna nataony. Ny hitany ho fiarovan-tena, noho izany, dia ny fanosoram-potaka ny tompon’ny tany. Lazain’ilay orinasa fa izy mivady manana titra no mibodo ny tany nefa ity orinasa ity no miditra an-keriny manapaka hazo ao sy tsy mitsahatra manakorontana sy manararaom-pahefana ao hatramin’izao. Na tamin’ny fotoana mbola tsy nahazoan’ny tompony ny tany aza dia tany nisoratra tamin’ny fanjakàna koa io tany io fa tsy mbola nisy fotoana hoe an’ny Fanalamanga mihitsy, hoy hatrany ny fanazavàna.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap
12-juin-2025

Hilatsaka hatramin'ny 3°C ny marimpana ambany indrindra ao Antsirabe

Card image cap
11-juin-2025

Fotoana izao anovana ny rafitry ny angovo eto Madagasikara, hoy ny mpandinika fiainam-pirenena,

Card image cap
11-juin-2025

Mitohy ny fandromban'ny mpijirika ny harem-pirenena Malagasy.

Card image cap