Noraisin’ny Filoham-panjakana Kolonely Randrianirina Michael teny amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra omaly ny Ambasadaoro Rosianina. Nohamafisina indray omaly 14 septambra ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy i Rosia, araka ny tatitry ny Fiadidian’ny Repoblika. Nifampidinika ny PRRM Mpiandraiki-draharaha eo anivon’ny Masoivohon’i Rosia eto Madagasikara, Alexeï Buriak. Nifantoka tamin’ny fanamafisana sy fampivelarana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta ny resaka, indrindra amin’ireo sehatra stratejika mety hahazoana tombontsoa iombonana. Anisan’ny lohahevitra nodinihina ny fanomanana ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny Fihaonana an-tampony Rosia–Afrika, izay hatao any Rosia amin’ny volana Oktobra. Ity hetsika ity dia heverina ho sehatra lehibe hanamafisana ny fifandraisana eo amin’i Rosia sy ireo firenena afrikanina, ary i Madagasikara dia mikendry ny hanana anjara toerana mazava sy mafonja amin’izany, hoy ny fanazavana. Ny herinandro lasa teo nifanandrify tamin’ny fiaingany niazo an’i Lafrantsa moa no efa nivoaka ny filazam-baovao, fa raha tsy misy ny fiovana, dia fantatra fa handeha handray anjara amin’ny Fihaonana an-tampony fahatelo eo amin’i Rosia sy ny firenena aty Afrika ny PRRM 28 sy 29 Oktobra ho avy izao. Fotoana hifanakalozana hevitra sy hanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’i Rosia sy ireo firenena afrikanina. Handray anjara feno amin’io fihaonana io i Madagasikara ary efa nohamafisin’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy izany. Anisan’ny navoitra lohahevitra lehibe hodinihina ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ny fampiasam-bola. Hojerena amin’izany ny fomba hampitomboana ny fifanakalozana ara-barotra, hisarihana mpampiasa vola ary hampiroboroboana tetikasa vaovao. Mety ho tafiditra ao anatin'izany koa ny resaka angovo, ny fiarovana, ny fotodrafitrasa ary ny teknolojia. Ara-politika sy diplaomasia, fifandrifian-javatra ve ny hoe : taorian’ny dia tany Frantsa sy Belgique no miaka-dapa ny solontena Rosianina ? Misy endrika fifaninanana eo amin’ireo Firenen-dehibe ? Ny dia avy tany Frantsa dia nanehoan’ny PRRM fa hisy fanohanana mikasika ny tetikasa Volobe dia ny fahafahana nifampiresaka momba ny ho saran’ny « Kwh » ; teo ihany koa ny fifampiresahana momba ny fanoneran’i Madagasikara ny fahapotehan’ny orinasa Belza Polo Garments izay may nandritra ny rotaka 2009, ka nahatonga ny Fanjakana Malagasy voaheloka handoa 6 tapitrisa dolara, saingy tafakatra 13 tapitrisa dolara noho tsy firosoana tamin’izany,… Eo ny fanehoantsika fa misokatra amin’ny lafivalon’izao tontolo izao saingy tsy misy mandehandeha ho azy amin’ny politika sy jeopolitika indrindra fa ny diplaomasia, ka taorian’ny tany Eoropa dia mandefa hafatra mandeha any amparahatoka ny Rosianina fa eto izy ary manana ny toerany ? Maneho koa ny Fanjakana fa malalaka ny lalana fa tsy mitamatama ka izay vonona hanohana sy tonga aloha dia misokatra ny varavarana fa tsy hiandry fandrirarirana lava ?
Toky R
124 miliara dolara ho an’i Afrika, zara raha 406 tapitrisa dolara ny antsika
Niverina ofisialy omaly 15 septambra 2026