airtel

Actualités

10-août-2026

TEKNOLOJIA

SY FIFANDRAISAN-DAVITRA

Sample post image

Miroso amin'ny fanatsarana ny

10-août-2026

fitantanana nomerika i Madagasikara
Nisy ireo fanapahan-kevitra lehibe izay noraisina teo anivon'ny Filan-kevitry ny Minisitra nifanesy tamin'ny alalan'ny minisitedan'ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra (MNDPT) ho an'ny fametrahana rafitra ara-dalàna sy ny fitantanana ny nomerika.
FANAPAHAN-KEVITRA LEHIBE
4 Eo ohatra ny fanavaozana ny lalàna laharana faha 2014-006 taminny 17 Jolay 2014 mikasika ny ady aminny heloka ana habaka. Isan'ny tanjona aminny fanovàna izay nentina dia hanatsara kokoa ny fahombiazan'ny ady amin'ny heloka an-habaka. Hanamafy ny fiarovana ny olom-pirenena, ny orinasa ary ny fitantanana ny raharaham-panjakana manoloana ny loza ambana nomerika ary hanatsara ny fahatokisana ny tolotra nomerika sy ny toekarena nomerika.Nolaniana ihany koa ny volavolan-dalàna momba ny serasera elektronika sy ny fotodrafitrasa nomerika, izay nasiam-panavaozana mba hifanaraka amin'ny zavamisy iainana ankehitriny. Fahatelo dia nankatoavina ny fidirani Madagasikara ao aminny Fikambanana iraisam-pirenena ho an'ny fiaraha-miasa aminny Angon-tsaina itatra (OMCIA/WAICO). Ary farany dia nankatoavina ny fangatahana fanomezan-dalana hanao sonia ny fifanarahanny Firenena mikambana momba ny heloka ana habaka na ny « convention de Hanoî ».
HABAKA AN-TSERASERA AZO ANTOKA
Tombotsoa lehibe amin'izao fanavaozana izao ny fanamafisana ny fiarovana ny olom-pirenena ary ny fampandrosoana ny habaka an-tserasera azo antoka, misokatra ary voaaro. Eo ihany koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena eo amin'ny sehatry ny fitsarana sy ny polisy amin'ny ady amin'ny fandikan-dalàna miampita sisin-tany.
Nangonin'i RTT
 

Dans la même rubrique

20-août-2026

Taorian’ny tolona mamaivay

Card image cap
20-août-2026

Miverina miaina ny fitrandrahana Kraomita

Card image cap