airtel

Actualités

19-avril-2024

Tetikasa 50 MW

286 miliara Ar ny tetibola hanaovana azy

Sample post image

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

19-avril-2024

herinaratra avy amin’ny masoandro ho fanatontosana ny tetikasa 50 MW, hoy ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny angovo sy akoran’afo omaly. Tanteraka omaly 18 aprily 2024 tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny fandraisana ofisialy ireo andiany amin’ny fitaovana. Izany dia teo ambany fiahian’ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara, Andry Rajoelina, nontronin’ny praiminisitra lehiben'ny governemanta, Ntsay Christian, ary ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo, Jean-Baptiste Olivier, sy minisitra maromaro. Faritra miisa 18 sy distrika 47 ary olona miisa 500.000 no hisitraka herinaratra amin’ny fananganana ireo tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro, izay hanana tanjaka 50 MW. Tanjon’ny fitondram-panjakana ny fampandrosoana ny sosialy sy ny toe-karena eto Madagasikara. Eo koa ny fampiakarana ny taham-pisitrahana herinaratra sy hanatsarana ny tolotra ho an’ny vahoaka ary ny hanenana ny fandaniana solika ho an'ny orinasa JIRAMA. Ny tetikasa 50 MW dia famatsiam-bolan’ny fitondrana malagasy sy ny JIRAMA. Mitentina 286.000.000.000 Ariary ny tetibola hanaovana azy. Hahafahantsika mitsitsy solika 19.000 hatramin’ny 20.000 m3 isan-taona, izany hoe manodidina ny 85 miliara Ariary isan-taona. Entona ratsy na «gaz à effet de serre» 52.000 taonina isan-taona ihany koa no voatsitsy tsy ho any anaty tontolo iainana. Mitotaly 75.690 no isan’ireo takela-masoandro na «panneaux solaires». Miisa 163 ireo «containers» na kaontenera mitondra ireo fitaovana no efa tonga, raha 56 kosa ireo efa anaty sambo mihazo an’i Madagasikara, ankoatra an’ireo izay mbola hiala any amin’ny toerana nanafarana azy, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray omaly.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap