airtel

Actualités

10-oct-2025

TETIKASA EAGER

Hanohanana ireo zazavavy nitsoaka an-daharana an-tsekoly

Sample post image

Tanterahina nanomboka 06 Oktobra lasa teo

10-oct-2025

manerana ireo faritra miisa 16 ny atrikasa fampahafantarana sy fifanakalozana momba ny tetikasa "EAGER" na ny tetikasa manohana ny fizakan-tenan'ny ankizivavy sy ny vehivavy. Tanjona ny hanatsarana ny fari-pahaizana sy ny fidiram-bolan'ireo kendren'ny tetikasa hahatonga azy ireny tsy ho vesatry ny fiaraha-monina intsony. Vokatry ny fiaraha-miasan'ny Minisiteran'ny ny Fanabeazam-pirenena amin'ny alalan'ny Foibem-pitondrana misahana ny fanamorana tetikasa (UFP) sy ny "Fonds d'Intervention pour le Développement" (FID), vatsian'ny Banky Iraisam-pirenena vola no nahafahana nanatontosa ny tetikasa. Ny "Fonds d'Intervention pour le Développement" (FID) no hanatanteraka ny asa ao amin'ny "sous-composante" 1.2 ao anatin'ny tetikasa EAGER izay miompana amin'ny fanaovana ora fanarenana (CRAN) ho an'ireo zatovovavy izay niala an-daharana; ka hisy ny fitsirihana ho an'ireo izay hisitraka an'izany eny anivon'ireo faritra izay misitraka ny tetikasa. Haharitra efa-taona ity tetikasa ity ary hifanome tanana amin'izany ireo rantsa-mangaikan'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena.
Pati
Légende : Mafana ny fitiliana sy fijerena ireo tokony hisitraka ny tetikasa !
 

Dans la même rubrique

17-juil-2026

125 Miliara Ariary eo hatreto ny kaonty nogiazana

Card image cap
17-juil-2026

Miara-miasa amin’ny rafitra iraisampirenena ny ARAI

Card image cap
17-juil-2026

Vao nanomboka dia nangotraka ny delestazy...

Card image cap
17-juil-2026

Misy mibodo ny tanin'ireo mponina

Card image cap
17-juil-2026

marika World Cola ny mpanankato Denise.

Card image cap
17-juil-2026

mampanahy raha tsy miara-mientana isika»

Card image cap