airtel

Actualités

12-déc-2022

Actualités

Tetikasa « RARY ARO MADA » Karazana tranga 184 no efa noraisiny an-tanana

Sample post image

Tetikasa iray mijoro sy miasa eto amintsika ny Tetikasa Aro Mada, fandaharan’asan’ny UNESCO, tarihin-dRalitera Jay, solontenan’ny UNESCO eto Madagasikara no sady tompon’andraikitry ny serasera ihany koa.

12-déc-2022

Antom-pisiany ny hametraka ny komitin’ny fandriampahalemana manerana ny faritra ka ireo tanora lahy sy vavy no entanina amin’izany mba ho afaka hijoro sy hanohitra ireo karazana herisetra miseho eny anivon’ny fiaraha-monina, hetsika tafiditra ao anatin’ny fanajana sy fitandroana ny zon’olombelona. Hatreto dia faritra miisa 7 ny faritra efa hiasan’izy ireo dia ny eto Antananarivo ahitana ny Faritra Analamanga, ny faritra Boeny, Matsiatra Ambony, Diana, Anosy ahitana ny distrikan’i Tolagnaro, ny ao amin’ny Faritra Atsinanana ary ny Faritra Atsimo Andrefana. Raha araka ny resaka sy tafa nifanaovan-dRalitera Jay tamin’ny mpanao gazety tamin’ny sabotsy teo dia efa mahatratra 184 isa hatreto ireo karazana tranga efa noraisin’ny tetikasa an-tanana ka anisan’ireny ny herisetra mihatra amin’ny mahalahy sy ny mahavavy, ny fanolanana…Tanjon’ny tetikasa araka izany ny hahafahana mampihena hatrany ireo karazana herisetra manitsaka sy manosihosy ny zon’olombelona miseho eny anivon’ny fiaraha-monina amin’ny alalan’ny fisian’ny tambajotran’ireo tanora miara-miasa amin’izy ireo izay hiezaka hampita ny fahalalana hananany ihany koa amin’ireo mpiara-belona aminy. Na izany aza dia tsy miditra na mitsabaka amin’ny raharaham-pitsarana ity tetikasa ity. Tsy manao tsindry amin’ny mpitandro ny filaminana ihany koa izy na inona na inona endrika mety hisehoan’izany fa mijanona eo amin’ny fandraisana fitarainana sy ny fanoroana hevitra ireo lasibatra fotsiny ihany. Ny Fonds pour la consolidation de la paix, mise en oeuvre par l’OHCHR sy ny UNESCO moa no mamatsy vola ity tetikasa ity, raha tsiahivina. Nandray anjara tamin’ilay hetsika momba ny fiarovana ny zon’olombelona tetsy amin’ny parvis hotel Analakely izy ireo ny sabotsy teo. Tranoeva mihoatra ny 10 izay mijoro hiaro ny zon’olombelona no tazana nandray anjara tamin’izany izay samy niezaka nampahafantatra ireo asa sahaniny niarahana tamin’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny fitombokasem-panjakana.

Pati
Legende : Rtoa Ralitera Jay, nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony

 

Dans la même rubrique

14-févr-2025

Avo lenta ny endrika isehoan’ny kolikoly eny anivon’ireo sampan-draharaham-panjakana eto amintsika.

Card image cap
14-févr-2025

Ory hava-manana ny malagasy, hoy ny fomba fiteny heno matetika taty amin’ny taonjato faha 20.

Card image cap
14-févr-2025

Raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako no ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny

Card image cap
14-févr-2025

Hotanterahana any Adis-Abeba ny 15-16 febroary izany hoe : ny sabotsy sy alahady izao ny

Card image cap
14-févr-2025

Tsy mitsahatra ny mitady izay fomba hanomezana fahafaham-po antsika mpihaino ny TOP RADIO FM 102.8.

Card image cap
14-févr-2025

Tena mampiady ny firehana politika tsy mitovy. Tsy ho an’ny olom-pirenena tsotra samy maneho hevitra dia

Card image cap