airtel

Actualités

11-nov-2025

TOHO-DRANO AO AMIN'NY

LEMAK'ANDROMBA

Sample post image

200 ha amin'ny 980 ha sisa no azo hambolena

11-nov-2025

Velon-taraina fatratra ny Solombavambahoaka voafidy tany amin'ny distrikan'Ambohidratrimo Rakotoarisoa Johnny. Raha araka ny fanazavany mantsy dia tanimbary 200 ha amin'ny 980 ha sisa no azo hambolena ao amin'ny lemak'Andromba mampisaraka ny distrikan'Ambohidratrimo amin'Arivonimamo vokatry ny olana ara-drano. Noho ny olan'ilay pont barrage ao Ambohidratrimo no nambarany fa antony mahatonga izany, foto-drafitrasa izay efa nangatahiny tamin'ny taona 2015 tamin'ny Fitondram-panjakana ny hanamboarana azy fony izy mbola Ben'ny tanana. Hetahetan'ity Solombavambahoaka ity araka izany ny hanamboarana io toho-drano io faran'izay haingana indrindra ao anatin'izao vanim-potoanan'ny fanovana izao. Lasa hataon'ny olona fanaovana propagandy fotsiny mantsy izy rehefa misy fifidianana indrindra fa ny fifidianana Filoham-pirenena. Ankoatra izay dia nomarihiny fa mila lakana ihany koa ny distrikan'Ambohidratrimo amin'izao vanim-potoanan'ny fahavaratra izao hiarovana ny ain'ny mponina amin'ny fiampitana etsy sy eroa.
Pati
Légende : Ny depiote Johnny Rakotoarisoa voafidy tany amin'ny distrikan'Ambohidratrimo
 

Dans la même rubrique

23-oct-2026

Sinoa iray tratra nitondra volamena

Card image cap
23-oct-2026

Manome lanja ny tontolon’ny

Card image cap
23-oct-2026

Misy vatsim-pianarana 12 hiofanana atsy Maorisy

Card image cap
23-oct-2026

Hiverina amin’ny heriny, eny

Card image cap
22-oct-2026

tohin’ny afera Nosy Be Hell Ville…

Card image cap
22-oct-2026

Notsipahan’ny HCC ny andininy miisa roa

Card image cap