airtel

Actualités

12-févr-2024

Tolona sendikaly

Mafana fiatombohana

Sample post image

Mafana fiatombohana ny tolona sendikaly, hoy ny Randrana sendikaly.

12-févr-2024

Herinandro izao no lasa amin’ny fitokona ara-dalàna ataon'ny mpiasa ao amin’ny orinasa Btextil mitaky sakafo atoandro, hoy ny fampahafantarana nataon’izy ireo ny faran’ny herinandro. Nidina teny amin’ny orinasa ny alakamisy teo ramatoa minisitra niresaka tamin’ny mpampiasa sy ny tomponandraikitra ary ireo mpiasa vitsivitsy voatambitamby ka mbola miasa. Tonga teny amin’ny orinasa koa ny talem-paritrin'ny asa eto Analamanga ny zoma teo nihaona tamin’ireo mpiasa manao fitokonana. Mazava ny voalazan'ny minisitra fa efa vita ny dingana ara-dalàna tamin’ny fanelanelanana fa eny amin’ny tribonaly no tohiny. Mahitsy izany fa tsy misy vokatra vahaolana ny fidinan'ny tomponandraikim-panjakana teny amin’ny orinasa manoloana ny olana sosialy izay fitakiana vary atoandro. Nidina teny amin’ny orinasa koa ny SG SVS Randrana sendikaly ny alakamisy maraina alohan'ny nahatongavan'ny minisitra mba saika hiresaka amin’ny mpiasa hanolotra vahaolana fa saingy tsy navelan'ny vazaha tompon'ny orinasa hiditra ny vavahady ka dia tsy afaka niresaka mivantana tamin’ny mpiasa mitokona tao amin’ny orinasa. Na izany aza dia mazava ny toromarika fa rehefa miziriziry ny tompon'ny orinasa ka tsy nahita vahaolana sosialy ny minisitra dia mitohy ary hamafisina ny fitokonana mandra-pahatongan’ny «arbitrage» eny amin’ny fitsarana, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap