volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana asiam-panintsiana na ny « PLFR » ny fepetra ara-ketra vaovao fampihenana ny “droit d’accise” ampiharina amin’ny tolotra ara-pifandraisana. Raha 8% no nisy teo aloha dia kasaina hahena 5%. Na izany aza, mbola tsy maintsy mandalo eo anivon’ny parlemanta ny tetikasa mba hodinihina sy ho ankatoavina alohan’ny hanatanterahana azy. Voakasik’ity fepetra ity ny fifandraisana anatiny sy iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny antso an-tariby sy ny tambajotra finday, indrindra ny fidirana amin’ny Internet, ny fifandraisana amin’ny feo, ny tolotra hafatra, ny fitaterana angona ary ny tolotra fifandraisana amin’ny alalan’ny zanabolana. Mamaly amin’ny ampahany ny fitakian’ny sehatra, izay efa nanao antso avo ho amin’ny fanalefahana ny hetra mba hanohanana ny fampiasam-bola sy hanamora ny fidirana amin’ny tolotra nomerika izy io. Tafiditra ao anatin’ireo fanitsiana ara-ketra atolotry ny governemanta amin’ny fanavaozana ny tetibolam-panjakana. Ho an’ny mpandraharaha ara-pifandraisana, ny fampihenana ny “droit d’accise” dia dingana iray lehibe satria efa hatry ny ela no nitakiany ny fanalefahana ny hetra mba hanatsarana ny fidirana amin’ny Internet eto Madagasikara. Ny faramparan’ny taona 2025, nitombo ny fifandirana teo amin’ny fanjakana sy ny mpikambana ao amin’ny vondron’ny mpandraharaha ara-pifandraisana eto Madagasikara (GTM) momba ny vidin’ny Internet, ka naverin’izy ireo indray ny fitakiana hanesorana tanteraka ity hetra ity. Nangataka ihany koa izy ireo ny fanafoanana ny hetra amin’ny fifanakalozana amin’ny alalan’ny finday sy ny hetra amin’ny “smartphones” mora vidy. Nohamafisin’izy ireo tamin’izany fa tsy hampihena ny vola miditra amin’ny fanjakana ireo fepetra ireo, fa kosa hampitombo ny hetra aloany hatramin’ny 400 miliara ariary. Efa nisy an’io dingana vaovao aroson’ny Fanjakana io ka asa mba hisy fihenana ve ny saran’ny fifandraisan-davitra sy ny internet sa ny omaly tsy miova ?
Toky R
Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy