Tapaka ny fampitana ny tolotry ny TF1 (TF1, TMC, TFX, TF1 Séries Films, LCI, Histoire TV ary Ushuaïa TV) tao amin’ny tolotra Canal+ eto Madagasikara. Araka ny antontan-taratasy ofisialy, antony fototra nahatonga izany ny fahataperan’ny fifanarahana ara-barotra teo amin’i Canal+ sy TF1 ny 30 jona 2026. Midika izany fa tsy ho hita intsony amin’ny tambazotra mahazatra ireo fantsona malaza izay nanome vaovao, fialamboly, tantara, sarimihetsika ary fanatanjahantena ho an’ny mpijery eto an-toerana. Miteraka fahabangana eo amin’ny tolotra mahazatra ho an’ny mpanjifa, indrindra ireo zatra amin’ny fandaharana toy ny vaovao sy JT an’i TF1, ny fialamboly sy “prime time shows” an’i TMC, ny “téléréalité” sy fanadihadiana an’i TFX, ny sarimihetsika sy tantara an’i TF1 Séries Films, ny vaovao ara-politika sy ara-toekarena an’i LCI, ny tantara sy fanadihadiana an’i Histoire TV ary ny tantara voajanahary sy fiarovana ny tontolo iainana an’i Ushuaïa TV. Vahaolana ambaran’ny Canal+ fa vaovao arosony kosa ny fanoloana. Voalohany, nambara fa mbola misy fantsona maro mitovy votoaty ao anatin’ny tolotra, toy ny RTL9, serieclub, TV5 Monde, France 24, ary arte izay manome vaovao, sarimihetsika, tantara ary kolontsaina. Faharoa, ny App Canal+ dia manome fidirana amin’ny an’arivony ora amin’ny fandaharana azo jerena amin’ny fangatahana, anisan’izany ny famokarana manokana toy ny “B.R.I”, “Love is in the Air”, “Shaka Ilembe” ary “Secret Story”. Fahatelo, hisy fantsona vaovao ho ampidirina ao amin’ny tolotra, izay hanamafy ny safidy sy hanome votoaty vaovao ho an’ny mpanjifa, hoy io orinasa io. Zava-dehibe izany, fa na izany aza, misy ny fimenomenonan’ny mpanjifa fa tsy tokony hojerena ho toy ny fanovana tsotra fotsiny fa ho toy ny fahabangana lehibe amin’ny tolotra ny zava-misy, izay toa tsy dia nisy fanomanan-tsaina sy fanazavana lalina momba ny antony tsy nahafahana nanavao ny fifanarahana,, fa fanambarana tsotra hoe “ “tapitra ny fifanarahana”, izay maro ny mandray azy ho fahaverezan’ny kalitao sy fahatokisana, ka tokony hojerena ihany. Toa sarotra ihany koa anefa satria tsy miankina amin'ny eto irery, saingy eo ihany koa ilay hoe ny mpanjifa no mila andrianina!
Toky R