airtel

Actualités

13-sept-2022

Actualités

Tonga masiaka Ragôvan’Analamanga “Manala baraka ahy, hisy hihinana ny anganony eto…”

Sample post image

Niakatra tetsy Faravohitra Mangarivotra misy ny tanàna nolazain’olona fa bodoiny ny governoran’Analamanga Hery Rasoamaromaka omaly.

13-sept-2022

Mizara roa ny tany, ka ny iray novidianay mivady ny taona 2017 fony mbola tsy governora, namidiko tamin’I Yves R. ny taona 2020 fa nahita hafa kanefa io kisilasila, tao amin’ny “notaire” iray tao Anjohy no natao ny fifampivarotana, tany 5a 28ca”, hoy ny Governoran’Analamanga Atoa Hery Rasoamaromaka, izay niakatra teny Faravohitra, niaraka tamin’ny Prefen’Antananarivo, notronin’ireo olom-boafidy IRD sasantsasany eto Antananarivo sy ny manodidina, olom-panjakana, polisy,... Naneho ny governora fa tsy nihaona tamin’ireo voaroaka, ary tsy nangataka fihaonana izy ireo. Nilaza fa tena mahery ilay mpandroaka, nofefena hatramin’ny fidirana. Olona nitonona ho Tale Kabinetran’ny governora no nandroaka ireo olona tamin’ny trano, hoy ny Rahavavin’ilay Rtoa tompon’ny trano, izay namoaka tamin’ny tambajotran-tserasera fa atao barofo ny tanànany, ka ny governoran’Analamanga no voatonona ho nanao izany. Momba ny nivarotan-dRagôva ny tany novidiany dia nolazainy fa "nazava tsara tany amin'ny "notaire" tamin’ny 2020. Noho ny nanao "mutation" dia nasoriny tao amin'ilay "notaire" nisy anay ilay taratasy fa hoe: mahita olona hanao azy izy satria raha tao izy no nanao dia fantatra hoe: tany mizara roa io. Amin'izao ny "situation juridique" dia lasany daholo ny tanin’olona", hoy ny Governora. Mpiara-miasa, mpiara-nanao ralllye aminy io nivarotany ilay 5a28ca, io ihany no voasoratra ao anatin’ny “acte de vente”, ka nilazany fa raha nisy olona naka tanin’olon-kafa ankoatra io dia fisolokiana. Nanomboka ny 2019 no tsy niresaka tamin’io namany io ny governoran’Alamanga, ary niantso azy hanatona ireo olona sy hamerina an’ireo amin’ny tranony. Voalaza fa efa maty tamin'ny herintaona ihany koa ny vadin-tany iray nentina nanesorana ireo olona tamin'ny trano ny febroary 2022, kanefa nampiasaina nandroahana olona ny anarany ary nolazaina fa tamin'ny anaran'ny Governora...
“HISY HIHINANA NY ANGANONY ETO…”
Olona dimy no voalaza fa mpandova ary ny eo Mangarivotra no an’ny roa mirahavavy. Misy tany be dia be lova eny Bevalala kanefa misy manao barofo lasan’olona daholo ny tany, hatramina jeneraly no manao izany, raha ny nambaran’ity governora ity, ka nilazany fa hijoro hiady amin’ny mafia izy ireo, misokatra ny varavaran’ny faritra Analamanga ho an’izay tratry ny kely tsy mba mamindro,... “Nalaina ny tanin’ilay olona dia ny anarako no nampiasaina. Aleo apoaka ny raharaha dia ho hita eo hoe: iza no tsy manjary tsivanonana naka ny tanànan’olona. Efa resahiko hatrany amin’ny farantampony io fa izay olona rehetra manao “intervention” amin’io dia ialana tsiny na iza na iza fa tsy mety izao. Rehefa tsy manana mpiaro izany ilay olona dia hatao an’izao. Ny anarako no entina, kitikitihina ny vodin-tsoavaly dia aleo izany ampiharintsika ny lalàna amin’izay manao ny tsy rariny, alefako ny tatitra any amin’ny Filoha, fa izy tsy manaiky an’izany, ary raha nanao izany aho tsy hanaiky izany izy, raha nanao izany aho tsy miandry hesorina. Tsy hamelako ity, fa nanontonona ny anarako, ataontsika mahamay, mihinana ny anganony,…”, hoy Atoa Hery Rasoamaromaka nanamafy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap