airtel

Actualités

28-mai-2026

Tontolo iainana,

fanatanjahantena, kolontsaina...

Sample post image

Ho porofoina fa afaka hampandrosoana firenena

28-mai-2026

Ho tontosaina ny 5 sy 6 jona 2026 izao eto Antananarivo ny hetsika «Fikarohana manakaiky vahoaka», izay iarahana amin’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ho fanamarihana ny andro iraisampirenena ho an’ny tontolo iainana. Ao anatin’izany, hoy ny fanazavàn’ny tomponandraikitra voalohany anivon’ny fikarakaràna sady mpampianatra mpikaroka, Dr Souleman Ibrahim Andriamandimby, dia hisy ny velankevitra hanazavàna ny hoe nitondra inona teo amin’ny fampandrosoana ny firenena tokoa ireo fikarohana vitan’ny manam-pahaizana malagasy hatreto? Nitondra inona ho an’ny fiainam-bahoaka izany? Na ho an’ny mpianatra io na mpikaroka na foibem-pikarohana na ny oniversite na ny minisitera, hoy ity mpikarakara ity. Anatin’ny vatana tomady no misy ny saina matsilo ka hisy koa, noho izany, ny hetsika ara-panatanjahantena iarahan’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny federasionina malagasin’ny basikety mikarakara anatin’izay fanentanana ara-tontolo iainana izay. Tena fifaninanana ofisialy ahafahana miditra amin’ny fifaninanana iraisampirenena no atao. Eo amin’ny Parvis Analakely no hanaovana izany satria fenitra ny hoe tsy maintsy manoloana ny lapan’ny tanàna. Ny mpianatry ny oniversite miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana dia samy handray anjara sy hifaninana ary hitondra fanentanana ho an’ny mpijery eo rehetra koa. Ireo tonga hijery, araka izany, dia hijery ireo sampam-piofanana eny anivon’ny oniversite misehatra amin’ny fikarohana momba ny tontolo iainana ihany koa. Hihaino fanazavàna mifandraika amin’ny atao hoe tontolo iainana, izay lohahevitra midadasika be ihany koa. Ho resahina ao ny fanatanjahantena sy tontolo iainana, kolontsaina sy tontolo iainana, ny tontolo iainana amin’ny maha tontolo iainana azy ihany koa, mazava ho azy. Diso hevitra isika indraindray fa biby foana izany tontolo iainana izany nefa ny fiainana maha olona antsika, ny lafiny ara-kolontsaina dia tena tontolo iainana. Voalaza anatin’ny famaritana manokana ny sata momba ny tontolo iainana na «charte de l’environnement» izany. Hampiavaka ity het-sika ity mihitsy ny fisongadinan’ny kolontsaina sy tontolo iainana. Ny 5 jona izao dia tena hiompana amin’ny kolontsaina sy tontolo iainana ny velankevitra. Hisy ny hiresaka ny atao hoe hazo masina na tapa-kazo, izay lazain’ny olona fa sampy na ody gasy nefa misy fiheverana azy amin’ny lafiny siantifika ireny. Ahoana no tokony hiarovana azy? Ao koa ny hiresaka ny hoe fahaiza-miaina anaty fiarahamonina sy fivoaran’ny fiarahamonina na «anthropologie sociale». Tsy velankevitra siantifika izany ity fa fampahafantarana voka-pikarohana amin’ny endriny azon’ny daholobe, ho porofoina, araka izany, fa na ny tontolo iainana, ny kolontsaina, fanatanjahantena, ny fikarohana dia samy afaka mampandroso firenena, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mai-2026

vahoaka ary hajaina ny heviny

Card image cap
28-mai-2026

mpiara-miasa ny depiote sy ny Ben’ny tanàna"

Card image cap
28-mai-2026

dia midika fa forongony..."

Card image cap
28-mai-2026

azo avy amin’ny herin’ny masoandro

Card image cap
28-mai-2026

mandalo anivon'ny kaominîna

Card image cap
28-mai-2026

Misy tsy manaiky hifindra

Card image cap