airtel

Actualités

25-août-2026

Tovondrafale Tsimihole

"Aza fokafokaina ny tenindrazantsika !"

Sample post image

Manao tohivakana ny fanehoan-kevitry

25-août-2026

olom-pirenena taorian'ny didy navoakan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana milaza fa tsy mifanaraka amin'ny lalampanorenana malagasy ny lalàna nolanian'ny solombavambahoaka momba ny politikan'ny fampiasana teny malagasy sy ny zo momba ny teny eto Madagasikara. Misy koa ireo tsy manome hasina ka sahy nanatsatso tsotra izao ny fampiasana ny teny Malagasy amin'ny tenimita sy ny fampitam-pahalalana. Naneho ny heviny momba izay i Tovondrafale Tsimihole, Mpampianatra sady mpanakanto rahateo. Niala tsiny mialoha izy raha nanao fanamarihana fa betsaka ny miteniteny fahatany manaratsy ny fanagasiana. Nijoro vavolombelona i Tsimihole nilaza fa "izahay dia taizan’ny Fanagasiana, nianatra tamin'ny teny Gasy hatrany amin'ny garabola ka hatramin'ny kilasy famaranana". Notohizany fa naka bakalôrea teny Gasy izy. "Izahay dia tsy mahatsiaro tena hoe : bado, sanatria… Miteny vazaha tsara tsy misy olana izahay ireo tompoko", hoy i Tsimihole tamin'ny teny feno fahatokisantena. Nomarihiny fa "ireo taranaka niverina amin'ny teny Frantsay no tena vendrana, ary iaraha-mahita izany amin'ny fari-pahaizan'ny mpianatra ankehitriny". Nahitsy ny tenin'ity mpampianatra mpikaroka ity nilaza fa "Aza fokafokaina ny tenindrazantsika, tsy marina ny filazana fa io no nampahantra"... Nofaranan'i Tsimihole tamin'ny teny fampieritreretana hoe : "zavatra hafa no fototr’izao fahaverezan’ny firenena izao fa tsy ny teny Gasy".
Jean D.
Tovondrafale Tsimihole, Mpampianatra Mpikaroka eny amin'ny anjerimanontolo
 

Dans la même rubrique

21-oct-2026

Natsikafon’ny PRRM fa

Card image cap
21-oct-2026

Mankaleo ilay kolikoly ! Soloy sy fongory izay tsy manjary !»

Card image cap
21-oct-2026

Mety hiteraka fahafatesana tampoka fa mba hamarino ! »

Card image cap
21-oct-2026

toavintsika ny fanajariana sy fananantany

Card image cap
21-oct-2026

olona hiara-kiasa aminy ny

Card image cap
21-oct-2026

Mbola lehibe ny fanamby hampisitraka

Card image cap