amin’izao fotoana izao. Zazalahy miisa 3 izay samy mbola mpianatra avokoa no naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy rehefa nanolana tovovavy 16 taona teny Anjanahary tamin'ny Oktobra 2023, araka ny tatitry ny Polisim-pirenena omaly. Tao anaty tambazotra sosialy Facebook no nifankafantaran'izy ireo ka nisy ny fihaonana voalohany teo amin'izy ireo teny Andravoahangy. Nentin'ilay tovolahy tany an-tranony teny Anjanahary niaraka tamin'ny namany roa hafa ilay zazavavy avy eo. Rehefa tonga tany an-trano anefa dia naolan'izy telo lahy ity farany. Taorian'ny fizahana natao azy dia fantatra fa bevohoka ilay zazavavy, hoy ny tatitra. Vokany, naiditra am-ponja eny Tsiafahy izy 3 lahy rehefa natolotra ny fampanoavana alatsinainy 19 Febroary 2024. Arakaraka ny fisian’ny fanintsian-dalàna izay andrasana fankatoavan’ny HCC na mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana na tsia sy miandry didy fampiharana no toa vao mainka tsy mampahatotra ny mpanolana ? Sa efa izay ilay endri-javatra iainana eny amin’ny fiarahamonina hoe tena maro ny fanolanana fa nisy ny fikitihana ny fehezan-dalàna famaizana vao mitombo ny fahasahian’ny olona mitoroka ?
Toky R
Toerana maro teto Antananarivo no nahitana rotaka vokatry ny fahatezeram-bahoaka
Tsy tomponandraikitra mivantana amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ny minisitry
Hifamotoana eny amin'ny Park Sisaony Ambatofotsy, distrikan’Andramasina,
Nikoropaka nanao Filankevitry ny Minisitra manokana andro sabotsy ny Fanjakana Rajoelina ny 14 jona teo.
Iray tamin’ireo mpandray anjaran’ny SIAE (Salon International des Acteurs Economiques)
Mbola tafiditra anatin’ny Firenena izay mbola sarotra ny fikarakarana taratasy i Madagasikara.