airtel

Actualités

17-nov-2025

Trafikana harem-pirenena

Sokatra Astrochelys radiata 56 sarona tao Nosy Be

Sample post image

Sokatra Astrochelys radiata na

17-nov-2025

sokatra rayé de Madagascar miisa 56 no saron’ny manam-pahefana tao amin’ny seranam-piaramanidina Fascène Nosy Be, ny sabotsy 15 novambra 2025 lasa teo. Hita tao anatin’ny valizy miisa efatra an’ny teratany malagasy roa izay nikasa ny hiondrana ho any Addis Abeba tamin’ny sidina Ethiopian Airlines ET836, raha ny tatitra. Araka ny vaovao avy amin’ny Fadintseranana, nampiahiahy ny fitarafana ireo entana ka nampiantso ny tompon’entana, saingy tsy hita popoka izy ireo satria tsy nandalo ny fisavana rehetra ary tsy mbola hita tao amin’ny faritry ny seranam-piaramanidina rehefa nokarohina. Vokatry ny fanokafana ny valizy nataon’ny tompon’andraikitra tany an-toerana niaraka tamin’ny solontenan’ny Ethiopian Airlines dia hita tao anatiny ireo sokatra voarara havoaka ivelan’i Madagasikara. Tafiditra amin’ny didy hitsy volana na Ordonnance n°60-128 izay lalàna fototra navoaka tamin’ny 1960 ho an’i Madagasikara, mamaritra ny fomba hanenjehana sy hanasaziana ny heloka mifandraika amin’ny ala, fihazana, jono ary fiarovana ny natiora,… ny fiarovana ity karazana sokatra ity. Anisan’ny biby arovana io karazana sokatra io, voasoratra anaty lisitra mena ao amin'ny UICN (Union Internationale pour la Conservation de la Nature), amin’ny maha anaty sokajy ahiana ho lany tamingana sy tandindonin-doza azy na « Critically Endangered ». Mbola mitohy anefa ny trafika, ary hatramin’ny manam-pahefana no atidoha. Ahoana izao ny mikasika ilay depiote nahatrarana sokatra an-jatony ny desambra 2024 ka nohelohina sazy an-terivozona 10 taona an-tranomaizina kanefa efa tazana nivoaka sy naverina ho depiote ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

ny miaramila sy tanora handoro toby mpihary herinaratra »

Card image cap
30-avril-2026

Tanora miisa 15 no indray

Card image cap
29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap