Nitrangan’ny haintrano goavana tany amin'ny distrikan'i Mahanoro ny Alahady 23 Aogositra nifoha omaly Alatsinainy 24 Aogositra. Tao Sahafanaloka, Fokontany Sahavatoana, Kaominina ambanivohitr’Ambinanindrano no nitrangan'izany. Araka ny vaovao avy tamin’ny Ben’ny Tanànan’Ambinanindrano dia manodidina ny 300 isa ireo trano may, ka trano 4 sisa no voalaza fa tavela. Anisan’ireo trano may sy lasibatra tamin'izany ny Fiangonana Loterana Malagasy sy ny Eglizy Katolika tao an-toerana . Miantso tolo-tanana sy fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana ireo mponina traboina manoloana izao voina goavambe izao. Zaza amam-behivavy mantsy ny ankamaroan'ireo ka tsy vitsiana ireo manan-kaleha. Loharanom-baovao no nahafantarana avy tamin'ny tokantrano iray no niavian'ny afo. Tombanana ho court circuit no niteraka izany saingy mbola eo am-panaovana fanadihadiana tanteraka ireo tompon'andraikitra any an-toerana hatramin'ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Tsiahivina fa fiangonana FJKM iray ihany koa no kila hotohoton'ny afo ny herinandro teo tany Marovato II, distrikan'i Nosy Varika.
Nangonin'i Pati
Légende : Lasa lavenona tahaka izao ilay fiangonana !
Aoka hovitaina hatramin'ny farany ny fanavaozana natomboka"