An-jatony ireo mpivarotra etsy amin'ny tsenan'i Petite Vitesse ankehitriny. Karazan'entana maro samihafa mifanaraka amin'ny filan'ny mponina amin'ny andavanandro no hamidin'izy ireo eny an-toerana indrindra fa ny ao anaty tsena. Efa saika miompana amin'ny finday, ny koveta sy ny lovia kosa ny ety ivelany miampy ireo karazan-java-maneno maro samihafa. Mifamono ihany anefa ireo mpivarotra sasany amin'ny ankapobeny. Saika lasan'ireo mpivarotra ety ivelany mantsy ireo mpanjifa hany ka mitanin'andro fotsiny ny ao anatiny matetika. Hetahetan'izy ireo araka izany ny hidiran'ny mpivarotra rehetra ao anaty tsena. Nanatanteraka fitsidihana teny amin'ny Tsenan'i Petite Vitesse omaly Alatsinainy 18 May ny Filohan'ny Delegasiona Manokan'ny Tanànan'Antananarivo, Feno RALAMBOMANANA, sy ireo mpiara-miasa aminy. Nijery ifotony ny zava-misy tao anatin'ny tsena, indrindra ny fomba handaminana sy hanatsarana ny toerana mba hahazoana tsena milamina sy madio ho an'ny mpivarotra sy ny mpanjifa no tanjona.
Pati
Légende : Nandritra ny fidinana ifotony notanterahin'ireo tompon'andraikitra omaly !