raharaham-pirenena, Tsivery Mao Tse-Toung, no nambàra fa niverina nahaleotena. Mbola manontany ny famaritana izany hoe fahaleovantena izany nefa isika hatramin’izao, hoy izy. Nanamarika ny mpitondra ankehitriny fa mbola tsy afaka isika. Tsy vao izao no nisy nanamarika izany fa tao anatin’izay 66 taona nifandimby nanamarihana ny 26 jona izay. Tamin’ny 1972 izao dia efa nomarihina izany. Hatramin’izay ka hatramin’izao izany isika dia mbola tena anatin’izay hoe fatotra sy vahohon’ny firenena matanjaka izay dia ny frantsay. Fanavaozana ny repoblikan’i Madagasikara, izay adika hoe «refondation», no anaran’ny fitondràna ankehitriny. Fototra izany atao hoe «fondation» izany. Tena hoe famerenana ifotony. Noresahana tanaty fotoana lava izay hoe mila miverina ifotony isika. Ny fototra mihitsy izany no mila avaozina raha miandrandra fanavaozana isika. Nanomboka tamin’ny 1958 no nisy ireo atao hoe fifanarahana lasitra na «lois cadres» izay mbola tohizana hatramin’izao. Sahy hikitika an’izany ve isika satria azo lazaina izany fa fototr’izao tsy fahafahantsika na ara-toekarena na politika, eny, ara-kolontsaina mihitsy izao? Ara-kolontsaina satria lasa mampametra-panontaniana izao hoe aiza ilay maha izy azy ity vahoaka malagasy ity? Rehefa tsy sahy hiala amin’ireo «lois cadres» 1958 isika dia hiodina eto fotsiny. Mila mivoaka ny hevitra toy izany amin’ny fikaonandoham-pirenena hoe inona no rafitra itondràna an’i Madagasikara manomboka izao? Miara-dalana amin’izay ny hoe ahoana ny fitondràn-tenan’ny olona hitondra? Tsy azo ialàna ny fanovàna rafitra! Tsy maintsy manavao an’io isika raha te hiroso! Na ny fiaraha-miasa amin’ny vahiny aza tokony hazavaina hoe idirana io satria maninona? Mety amin’ny firenena sa tsia? Miara-miasa amin’ny firenen-drehetra isika izao nefa aiza ny akon’izany amin’ny fiainan’ilay firenena? Toa vao mainka aza isika ohatran’ny hoe mivarotra firenena? Marina ny nambaran’ny mpitondra hoe mbola tsy afaka isika nefa inona izany no tokony atao? Izay izany no tokony ho fanontaniana fototra amin’ilay fikaonandoham-pirenena? Hatramin’io fikaonandoham-pirenena io izao no mampametra-panontaniana hoe maninona no mitarazoka? Mila mitady ny tena fototr’olana isika mba ialàna amin’izay olana izay sy itondràna vahaolana. Tsy misy afa-tsy ny fametrahana rafitra mifanaraka amin’ny fiarahamonina sy toetsaina malagasy no tokony hahatongavana. Mino aho fa mety diso ihany isika raha hiady hevitra hoe federalisma sa fanjakàna tokana no atao? Inona no tena efa naha Madagasikara an’i Madagasikara no tokony ho fanontaniana hipetraka? Nisy teto ny rafitra fokonolona saika napetraky ny Kolonely Ratsimandrava saingy lavon’ireo tsy mataho-tody moa izy, indrisy. Samihafa mihitsy ny hoe rafi-pokontany sy rafi-pokonolona. Tena tokony ho taom-panafahana an’i Madagasikara izao taona lalovana izao! Ho potika tanteraka ity firenena ity raha mbola ho latsaka anaty vovon’ny herin’ny vola isika. Izay indrindra no antony tokony hitadiavan’ny mpitondra sy ny vahoaka malagasy hoe inona no rafitra tena ahafahantsika manavotra ity firenena ity satria tsiriritin’izao tontolo izao isika ankehitriny. Tokony mba ho sarotiny isika hoe tompon’i Madagasikara, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija