airtel

Actualités

12-févr-2024

Tsy ampy vola hividianana solika ?

Raikitra ny delestazy manerana ny Nosy…

Sample post image

Raha somary nilamindamina teo aloha teo, dia niverina nangotraka indray

12-févr-2024

ny delestazy teto Antananarivo ny faran’ny herinandro teo, indrindra fa omaly alahady. Tsy nisy tsy nikolay satria toerana maro no tapaka tao anatin’ny ora maromaro, nisy hatrany amin’ny adin’ny fito. Ny vaovao re ny faran’ny herinandro lasa teo dia ny hoe :hahena 20% ny fampiasana solika hanodinana ireo milina mandeha amin’ny herinaratra any amin’ny Faritra manerana ny Nosy. Antananarivo, Nosy Be, ary Sainte Marie no voalaza fa hany tsy ho voakasika, fa ny hafa tsy maintsy hihena ny famokarana herinaratra, hisy ny delestazy mihodinkodina, raha ny vaovao nivoaka. Midika izany fa mihena ny herinaratra, mihena ny famokaran’ny orinasa,… ka miantraika amin’ny toekarena. Somary mahagaga ihany anefa ny zava-mitranga ho an’ny eto Antananarivo hoe : olana teknika sa delestazy eknomika amin’ny fitsitsiana ny fandaniana. Raha raisina amin’ilay fitsitsiana solika aloha, dia midika izany fa tsy ampy vola ny Jirama sy ny Fanjakana hividianana solika hanodinana ireo milina. Ireo milina 7 izay manana tanjaka 105MW nambara fa efa tonga tao Toamasina tamin’ny janoary teo, izay hanampy ny famatsiana herinaratra eny amin'ny tobim-pamokarana Ambohimanambola, hanampy amin'ny famatsiana herinaratra amin'ny tambazotra iraisan'Atananarivo (RIA) anefa dia mandeha amin’ny milina mazava ho azy. Midika hatrany aloha ny zava-misy amin’izao fotoana izao fa mbola tafalentika hatrany ao anaty olana ny Jirama, ary vao mainka mitrosona tanteraka amin’ny tany. Any am-pelantanan’ny sehatra tsy miankina ihany koa moa amin’ny ankampobeny ny ain’ny Jirama noho ny famokarany tsy ampy ka tsy maintsy mividy herinaratra amin’ny tsy miankina. Asa raha efa mivaha ny fifanenjanana tamin’ireo mpamatsy herinaratra na mpamatsy solika satria tamin’ny andron’ny Minisitra Andry Ramaroson dia nidrikina tamin’ny resaka fandoavana faktiora ny Jirama, fa hoe : mbola hanao « audit ». Efa nisolo ny minisitra izay Tale Jeneralin’ny Jirama no niakatra teo, ary efa niva hafa indray tamin’izao governemanta amin’ny endriny ankehitriny izao.
NAHOANA NO TSY VOATENDRY ILAY « MANAGER DE REDRESSEMENT » ?
Nanomboka ny desambra 2022 no tsy nisy Tale Jeneraly intsony ny Jirama rehefa nisy ny raharaha nahasaringotra ny Tale Jeneraly tamin’izany Atoa Rivo Radanielina sy ny Tale Jeneraly teo aloha Vonjy Andriamanga ary ny Tale Kabinetra Onja Rasamimanana. Samy namoahana didy fampikarohana izy ireo, saingy tsy hita popoka hatramin’izao. Nisy ny famoahana antso tolo-bidy iraisam-pirenena izay 45 andro nifarana ny 24 may 2023 eo nitadiavana « Manager de redressement » hitantana sy hanarina ny Jirama. Voalaza fa teratany vahiny roa no tafavoaka farany hisafidianana izay iray tena ho izy, saingy hatramin’izao tsy misy tohiny intsony. Inona no olana no mbola tsy voatendry hatramin’izao ? Nenjehina ny fitondrana Ravalomanana tany aloha raha niara-niasa tamin’ny vahiny dia ahoana izao ? Na tiana na tsy tiana, niha nilentika ny Jirama hatramin’ny tetezamita satria voalaza fa mbola nanana ambim-bava 64 miliara Ar talohan’ny 2009 saingy izao bokan-trosa an’arivony miliara vao hoe : hovelomina ho orinasa ho reharehan’ny Malagasy. Angaha tsy azo nosorohana ny fahapotehana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Nifoha indray ny afera Jirama mikasika kolikoly goavana nahasaraingotra ireo mpitantana sasany.

Card image cap
14-mai-2024

Mbola mahatratra 50.000 ireo raharaham-pitsarana mihantona eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga

Card image cap
14-mai-2024

12 tapitrisa Ariary no vidin’ilay vola volamena 50 Ariary milanja 1 Oz na 31,104 grama,

Card image cap
14-mai-2024

Endrey izany fiedinedin’ireo mpanao politika, maneho ny antsoina hoe :

Card image cap
14-mai-2024

Mikolay ny mpampiasa sy mpikirakira internet nanomboka ny alahady tolakandro teo noho ny haratsian’ny

Card image cap
14-mai-2024

Lasa mpilalao sary mihetsika malaza i Marc Tatandraza.

Card image cap