airtel

Actualités

22-mars-2024

TSY FAHAMPIAN’NY TORIMASO

Mety hahafaty tampoka

Sample post image

Mihabetsaka ireo olona miasa alina amin’izao, indrindra fa ny tanora.

22-mars-2024

Ireo mikirakira solosaina no tena maro an’isa amin’izany izay tsy mijanona raha tsy maraina ny andro. Amin’ny atoandro izy ireny no mba matory noho izany raha mbola misy manao asa hafa indray aza ny sasany. Tena misy fiantraikany amin’ny fahasalamana tokoa anefa ny tsy fahampian’ny torimaso, raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo Mandimbison Rija, eo anivon’ny Centre Ainasoa etsy Namontana. Mety hahafaty tampoka mihitsy izany rehefa be loatra izay tokony hisy ora fito isan’olona isan-kalina raha kely. Manomboka reraka ny olona iray rehefa tsy ampy torimaso vokatr’izany. Mitaky otra ny vatana amin’iny izay tokony hataon’ny olona iray in-telo isam-bolana raha kely, arahin’ny fakana aina. Rehefa tena marary vokatry ny havizanana sy ny tsy fahampian’ny torimaso tokoa mantsy ny olona iray raha ny nambarany dia ny fandrianan’ny hopitaly sisa no miandry azy fa tsy misy azo hatao intsony. Ho azy ireo manokana moa dia nandalina momba ny otra izy ary afaka mikarakara ireny karazan’olona tsy ampy torimaso sy reraka ireny. Manana vokatra natoraly azo hampiakarana ny hery fiarovana ao anatin’ny vatana ihany koa ny Centre Ainasoa.
Pati
Legende : Tokony hihotra in-telo isam-bolana ny olona iray raha kely hanalana havizanana !
 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Misy toe-javatra mampiahiahy ao anatin’ny Fanjakana, indrindra fa eo amin’ny lafiny fikirakirana sy fanamarinam-bola ?

Card image cap
07-févr-2025

Ireo fikambanana, ONG ary mpiara-miombon'antoka rehetra nisitraka famatsiam-bola

Card image cap
07-févr-2025

Mahatratra 60 isa isan’andro eo ho eo ny fangatahana fisaraham-panambadiana tonga

Card image cap
07-févr-2025

Mbola betsaka amin’ireo ankizy mpianatra no tsy mahalala ny asan’ny mpamonjy voina sy ny tena

Card image cap
06-févr-2025

Nihatra nanomboka ny alin’ny 04 febroary 2025 ny fanitsiana ny vidin-tsolika eto Madagasikara izay lazaina fa

Card image cap
06-févr-2025

Tsy rariny raha olona milaza ny mba maharary azy no ampidirina am-ponja,

Card image cap