airtel

Actualités

20-août-2026

Tsy miandry

fanarenana intsony i Brieville

Sample post image

Miverina miaina ny fitrandrahana Kraomita

20-août-2026

Ny 18 aogositra 2026 teo no nambaran’ny orinasa Kraoma fa miverina miaina ny fitrandrahana Kraomita amin’ny alalan’ny asa fanangonana Kraomita ny ao amin’ny toeram-pitrandrahana Kraoma ao Brieville, izay nahitàna mpiasa efa ho miisa 100 nirotsaka an-tsehatra. Manamafy izany ainga vaovao izany, hoy ny fanazavàna, ny fahatongavan’ny kamiao miisa 2 vaovao an’ny orinasa, izay tonga tao Brieville ny tolakandron’ny sabotsy 15 jolay 2026 lasa teo. Tsy Kraomita fotsiny no angonina eto fa miverina tsikelikely ny asa. Mihetsika ny famokarana. Miverina ny fanantenàna satria ao ambadiky ny mpiasa tsirairay dia misy fianakaviana miankina amin’ny fiodinan'ny Kraomita malagasy. Ao ambadiky ny famokarana ihany koa dia misy toekarena iankinan'ny fampandrosoana ny firenena. Tsy miandry fanarenana intsony i Brieville fa manomboka manome fanantenàna sy manorina ny hoaviny tanteraka. Manova ny harena an-kibon’ny tany ho fampandrosoana maharitra ny Kraoma, hoy hatrany ny fampitàm-baovao voaray.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique