airtel

Actualités

15-mai-2024

Tsy nanaiky hiray ara-nofo

Nanamparany habibiana ny vadiny

Sample post image

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

15-mai-2024

tsy mety hanao firaisana ara-nofo ao an-tokantrano ao. Ho an’ny Fokontany iray eto an-drenivohitra raha araka ny fanadihadiana dia mahatratra 2 isan-kerinandro ny fitarainana voaray ka vehivavy voakasi-tanana na tsy mahazo vola ny ankamaroan’ izy ireo, ho tambin’izay tsy fanaovana firaisana izay. Tsy misy hafa amin’izay ny tranga niseho tao Ambohimandamina Mahajanga, vao omaly Talata 14 May. Renim-pianakaviana iray manodidina ny 30 taona no tsy nanaiky nanao firaisana tamim-badiny rehefa nitaky izany ity farany ny Alakamisy lasa teo tokony ho tamin’ny 02 ora maraina. Raikitra ny fifamaliana vokatr’izany saingy samy resin’ny torimaso ihany ny roa tonta aveo. Tsy maty voalavo an-kibo anefa Rangahy fa taitra tampoka aveo ka novonoiny ilay Ramatoavadiny . Bongo ny masony vokatr’izany no sady mangamangana, nandeha rà koa ny orony raha feno dian-kapoka ny tarehiny ary tsy afaka mihetsika ny tendany. Nahare io tranga io moa ny tompon-tranon’izy ireo ka niantso ny fianakavian’ilay Ramatoa. Ireto farany no nitondra ity farany tany amin’ny hopitaly raha efa nentina eny anivon’ny mpitandro ny filaminana kosa ilay Rangahy.
Pati
Legende : Efa 4 taona nivadiana izy roa ireto ary niteraka roa !
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap