airtel

Actualités

19-mai-2026

Vadina mpanakanto malaza

Nisy nitory ho nisoloky tany 1100m2

Sample post image

Tany mirefy 1100m2 no voalaza

19-mai-2026

fa nisolokiana vadina mpanakanto malaza iray tamina ramatoa efa 70 taona no sady efa marary. Araka ny fanazavana dia raha toa ka 60 tapitrisa Ariary no tena vidin'izany tany izany dia nasain'ity vadina mpanakanto ity ho lazaina anaty taratasim-barotra ho 5 tapitrisa Ariary fotsiny. Hahamora ny fikarakarana ara-ketra no antony, hoy ny voalaza. Maika ny hahazo tany ilay ramatoa dia nanaiky ny toromarika nomena azy. 8 tapitrisa Ariary, noho izany, no nosoratana tanaty taratasim-barotra. 3 volana vao vita ny famindrana anarana na "mutation. Ny septambra 2024 no vita ny taratasim-barotra nifanarahana tamin'ity ramatoa narany nividy ny tany tany am-boalohany ity. Ny janoary 2025 nefa dia mbola namidin'ilay nivarotra ny tany tamin'olon-kafa fanindroany indray ny tany. Nanao varo-droa, araka izany, ity vadina mpanakanto nivarotra io tany eny By pass io ity. Ankehitriny dia nihombo vokatry ny fahenoany fa tsy afaka omena azy intsony ny tany ilay ramatoa 70 taona. Miakatra ny tosidrany ary miha tsy mahavita miteny intsony izy, hoy hatrany ny fanazavana. Niakatra fitsarana tetsy Anosy omaly moa ity raharaha ity ka ny zoma izao no andrasana ny didy momba izany, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany mikasika ity ady tany mirefy 1100m2 nitorian'olona vadina mpanakanto ho nisoloky eny By Pass ity.
Nangonin'i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

21-mai-2026

aza ny fitondràna!»

Card image cap
21-mai-2026

no any Rosia Ambasadaoro 3 vaovao

Card image cap
21-mai-2026

telo volana, mbola mila ezaka be…

Card image cap
21-mai-2026

antsy ny vadiny sy ny zanany mirahavavy

Card image cap
21-mai-2026

amoron-dalana mibahana lalam-bahoaka

Card image cap
20-mai-2026

Fanjakana, nanolotra 150 tapitrisa Ar »

Card image cap