airtel

Actualités

23-févr-2026

Valaben’ny sendika

eto Madagasikara «Mametraka tongotra

Sample post image

amin’ny tany rehefa manao fitakiana»

23-févr-2026

Mpitarika sendikan’ny mpiasa miisa 200 mahery teo manerana ny nosy no tafavory tetsy Ampandrianomby ny sabotsy teo, noho ny fahatrarana ny taona vaovao 2026. Sendika mivondrona anatin’ny antsoina hoe Valaben’ny sendika eto Madagasikara na «Solidarité sendicale de Madagascar», izany hoe, SSM ireo. Fotoana nanaovana jery todiky ny lasa sy ny ho atao amin’ity taona ity ihany koa io, hoy ny fanazavàn’ny filohan’ny SSM, Herizo Andrianavalona. Tsy azo odian-tsy hita ny fanomezana fankasitrahana avy amin’ny fitondràm-panjakàna ho an’ireo mpiasam-panjakàna ny faran’ny taona 2025. Eo koa ny fampiakarana karama ho 14% amin’ity taona ity. Andrasana fatratra ny fampiakarana tambin-karama ho an’ny trano fonenana dia ilay 200.000 Ariary isam-batan’olona. Eo koa ny an’ny mpampianatra dia ny tambin-karama ho an’ny tsaoka na «la craie». Ny an’ny mpiasan’ny fahasalamàna moa dia ny «indemnité de risque» na tambin-karama amin’ny fanatontosàna asa. An-taona maro no nitolomana izany rehetra izany fa ny fitondràn’ny fanavaozana izany aloha no mba niheritreritra ny mpiasam-panjakàna ka isaorana. Tsy adino ny resaka fampidirana ho mpiasam-panjakàna sy ny fampivoarana ny fisotroan-dronono. Ezaka goavana avy amin’ny fitondram-panjakàna izany rehetra izany. Niteraka fifaliana goavana ho an’ny mpiasan’ny JIRAMA ny nanalàna ny tale jeneraly teo aloha. Heno koa izao fa mampitaraina mpiasa izany tale jeneralin’ny Caisse d’épargne izany. Eo koa ny ao amin’ny CNaPs izay nametra-pialàna. Ny tany amin’ny CNAPMAD nitory ny mpiasa mihitsy noho ny hoe fanalam-baraka fa nesorin’ny fanjakàna ihany koa. Heverina fa mahafinaritra ny mahita hoe mihaino ny fitondràna manoloana izany rehetra izany fa raha tany amin’ny fitondràna tany aloha tany dia vao mainka nanamafy ny fony ny fitondràna rehefa misy fitakiana manoloana ny tsy mety toy izany. Samy manana ny fomba nanaovany kajikajy ny sendika isanisany satria mahaleotena amin’ny fitakiany. Ny sendika foibe na SSM kosa dia miezaka foana mametraka tongotra amin’ny tany rehefa manao fitakiana satria aza adino fa ny aty amin’ny sehatra tsy miankina tsy azo anaovana didim-panjakàna indray mipoaka fotsiny izany dia hoe tsy maintsy hanaraka an’izay ny mpampiasa na lehibena orinasa. Miankina amin’ny famokarana sy tombom-barotra ny azy no ahafahany mampiakatra karaman’ny mpiasa. Ny fisiana fifampiresahana an-kintsi-po eo amin’ny mpampiasa sy solontenan’ny mpiasa no zava-dehibe ary eo ny fanjakàna no tokony hiditra amin’ireny mpampiasa mahazo tombony be nefa tsy mampiakatra karama ireny. Samy marina daholo ny fitakian’ny namana hoe tokony ho 1.500.000 Ariary ny karama farany ambany sy ny namana hafa hoe tokony ho 10 Dolara isan’olona, isan’andro fa anjaran’ny fanjakàna izany no mijery hoe inona no azo atao manoloana izany satria iaraha-miaina koa ny fiakaran’ny vidim-piainana amin’izao fotoana izao, hoy hatrany ny SSM.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap