airtel

Actualités

20-juil-2026

Valan-javaboaharin'ISALO

Miroso hisitraka ny

Sample post image

Label UNESCO global geoparks"

20-juil-2026

Miroso amin’ny dingana hahafahan’i valan-javaboaharin'Isalo misitraka ny atao hoe "Label UNESCO global geoparks", izay mari-pankasitrahana iraisampirenena ho an'ireo toera-mahavariana eto an-tany, i Madagasikara, raha ny nambaran’ny minisitry ny tontolo iainana, Andriatsihala Nolave Luck Aristide, nandritra ny iraka izay tanterahiny ao amin’ny Faritra Ihorombe, hoy ny fampitam-baovao voaray ny faran'ny herinandro teo. Tanjona amin’izany ny hanamafisana ny fampahafantarana sy hanomezana lanja maneran-tany ny vakoka ara-jeolojia miavaka ananan’i Madagasikara, ahitana vatolampy, zohy, tsingy ary endriky ny tany voasokitra voajanahary nandritra ny 200 tapitrisa taona mahery, hoy ny fanazavana. Hatramin’izao dia efa ny 25% ny fanombanana ireo “géosites” no vita sy voarakitra, araka ny sosokevitry ny manam-pahaizana avy amin’ny UNESCO, ho fanomanana ny antontan-taratasy ilaina amin’ny fahazoana ity mari-pankasitrahana ity. Rehefa mahazo ny fankatoavana ity fangatahana ity, dia i Madagasikara no firenena faha 4 aty Afrika, aorian’i Maraoka, Tonizia ary Tanzania, hiditra ao anatin’ity tambajotran’ny sampan'ny firenena mikambana misahana ny harena ara-kolontsaina voalaza tany am-boalohany teo ity. Ahitana "geoparks" na toera-mahasarika voajanahary miisa 241 miparitaka amina firenena 51 manerantany ity tambazotra ity, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique