airtel

Actualités

07-oct-2022

Actualités

Valanjavaboahary Zombitse-Vohibasia Voafehy ny afo, 4 andro aty aoriana

Sample post image

Ny alahady 2 oktobra lasa teo no nanomboka nidedaka ny afo tao amin’ny valanjavaboahary Zombitse-Vohibiasa ao amin’ny faritra atsimo andrefana, 147 km avaratra atsinanan’i Toliara.

07-oct-2022

Tena mafy ny asa , raha ny fanazavan’ireo zandary avy ao Sakaraha, izay niasa mafy tany an-toerana. Nanao izay ho afany ihany koa ny mponina tany an-toerana nifanome tanana tamin’ny zandary satria tena nidedaka be ary nasiaka ny afo ka tsy maintsy napetraka ny paikady matotra hifehezana sy hamonoana azy ary tena mila olona maro izany.Nananosarotra rahateo ny famonoana ny afo noho ny tsy fahampian’ny fitaovana.Ny tatitry ny Madagascar National Park no nahafantarana fa ala 80 hektara no may kila sy lasa lavenona, manodidina ny 36 308 hektara moa ity valanjavaboahary izay napetraka nanomboka ny taona 1997 ity.Heverina fa afo niniana natao no nahatonga izao fahamaizana 80 hektara tao amin’ny Zombitse-Vohibasia izao.
Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap