airtel

Actualités

29-févr-2024

Valy bontan’ny mpitondra ho an’ny Tandrefana

« Tsy olon-kafa avy any ivelany no mandidy ny lalàna eto »

Sample post image

Taorian’ny Minisitry ny fitsarana, dia nisolo tena ny governemanta niaro ny maha

29-févr-2024

araka ny lalàmpanorenana sy tsy mandika ny lalàna iraisam-pirenena ny fikitihana ny fehezan-dalàna famaizana ka nampidirana ny famosirana ho an’ireo mpanolana zaza tsy ampy taona ny Mpitondra tenin’ny governemanta Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy omaly. Tsiahivina, fa nankatoavin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny zoma 23 febroary lasa teo no fa mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana ny volavolan-dalàna laharana faha-002/2024/PL mifandraika amin’ny fanavaozana ny fehezan-dalàna famaizana eo amin’ny andininy mikasika ny famaizana manoloana ny fanolanana zaza tsy ampy taona. Nilaza ny Vondrona Eoropeanina tamin’ny alalan’ny masoivohony Rtoa Isabelle Delattre ny talata lasa teo, fa mifanohitra amin’ny lalàmpanorenana Malagasy io, ary tsy tena vahaolana. Tohan-kevitra nentiny tao anatin’io ny voalazan’ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-8, izay mamaritra fa « arovan’ny lalàna ny zon’ny rehetra hiaina. Tsy azo atao ny manala ain’olona amin’ny fomba tsy rariny,… Tsy misy olona azo ampahoriana, saziana na ampijaliana amin’ny fomba tafahoatra sy tsy mendrika ary manetry ny maha olombelona,… ». « Isika dia firenena manana fiandrianantsika, ary ny firenena manana fiandrianana dia tsy olon-kafa ivelan’ny Malagasy no mandidy sy manapaka ny lalàna mety amin’ny Malagasy. Ny HCC no rafitra faran-tampony », hoy kosa Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy. Nambarany fa didian’ny HCC ny hisian’ny didim-panjakana fampiharana mba tsy hisy endrika fampijaliana. Nohitrikitrihiny fa mifanitsy tanteraka amin’ny lalàna iraisam-pirenena momba ny zon’ny ankizy ny fanavaozana ny lalàna. Notsindriany fa ambaran’ny didin’ny HCC ny tsy fanaovana herisetra amin’ilay olona izay hanaovana famosirana, fa tsy maintsy hampanarahana fenitra ara-pitsaboana, tsy misy fangirifiriana amin’ilay olona izay hampiharana azy,… « Ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana na HCC no rafitra faratampony miteny hoe mifanaraka na tsia amin’ny lalampanorenana ny lalàna iray. Ka rehefa niteny ny HCC fa mifanaraka amin’ny lalampanorenana ny lalàna vaovao nanovana ny andininy sasantsasany ao anaty fehezahan-dalàna famaizana (code pénal) mikasika ny fanasaziana ireo mpanao habibiana amin’ny fanolanana, indrindra ny zaza tsy ampy taona (prédateurs sexuels) dia tsy misy rafitra hafa intsony afaka manao « remise en cause » an’izany, na ny avy eto an-toerana na ny avy any ivelany », hoy io Minisitra io. Nametra-panontaniana ny governemanta hoe : mba misy mieritreritra ve ny zon’ny voalona ? Ahoana fahorian’ireo Raiamandreny izay maty noho ny fanolanana ny zanany? Ambony noho ny fiarovana ny zon’ny mpanolana ny zon’ny zaza voaolana, ary andininy faha-21 amin’ny lalàmpanorenana dia milaza fa adidin’ny Fanjakana ny miaro ny zaza Malagasy, hoy hatrany ny Mpitondra tenin’ny governemanta.
INONA NO TSY HAMOAHANA DIDY FAMPIHARANA AVY HATRANY ?
Lasa ohatran’ny entina amin’ny ady ara-tserasera ilay raharaha, ary ventesin’ny Fanjakana hatrany ilay hoe : manana ny fiandrianam-pirenena isika, ary tsy ny vahiny no tokony hibaiko antsika amin’ny lalàna mety ho an’ny Malagasy. Ny lojikan’io anefa dia tsy niandry ela fa taorian’ny didy navoakan’ny HCC mandidy ny hanaovan’ny governemanta sy ny Filoham-pirenena ny « promulgation » na didy fampiharana. Nahoana no tsy nirosoana avy hatrany amin’ny « Promulgation » mba hanoherana ny nambaran’ny Eoropeanina? Vonona ve ny mpitondra hiatrika sy hizaka izay vokany amin’ny lafiny maro? Ny tsy firosoana amin’ny fampiharana an’io dia midika fahalemena ho an’ny Fitondrana Rajoelina, ary lasa fiampangana tena ho tsy manana hazon-damosina kanefa mitompo teny fatratra fa mifanaraka amin’ny lalàna iraisam-pirenena io, ka raha ny fampiharana azy no heverina hahasoa ny Malagasy dia mijoro hatramin’ny farany. Dia ho hita eo izany ny tohiny !
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap