airtel

Actualités

27-oct-2026

VANIM-POTOANAN’NY

HAFANAMBE

Sample post image

Misy ny fialam-boly sy fanatanjahatena azo hatao

27-oct-2026

Ankatoky ny fotoam-pahavararra toy izao misy antsika izao no mampiakatra ny mari-panan'ny hafanana eto am- povoantany. Maro no mety ho diso hevitra fa ny fakana aina amin'ny toerana maloka toy ny fijanonana ao an-trano no mety indrindra. Azo atao tsara anefa ny manantona ireo dobo filomanosana sady miala voly no manao fanatanjahatena. Anisan'ny miavaka amin'ireny ny etsy amin'ny Madagascar espace by pass Ambohimangakely. Dobo filomanosana miisa efatra no misy eny an-toerana. Ankoatra ny fahafahana milomano miara-dalana amin'izany ihany koa ny sehatra malalaka ho an'ireo tia mihira sy mivazo ary mitsinjaka sy mandihy amin'ny alalan'ny fisian'ny "Karaoké" sy ireo mpanakanto tsy ampoizina ho avy eny an-toerana hanentana amin'ny dihy zumba anaty rano "Zulba aquatique" Hanatevina izany koa ny "Mpikosoka kapila" Ankoatra ireo misy eny an-toerana koa ny filalaovana billard, tennis ary toeram-pilalaovana ho an'ireo kilonga. Afaka mijanona eny an-toerana ny fianakaviana noho ny fisian'ny efitra afaka hampian-tranoana azy ireo. Mandritra ity faran'ny herinandro ity dia hisokatra ho an'ny rehetra ny dobo filomanosana eny amin'ny Madagascar Espace" by pass Ambohimangakely. Hitohy tsy miato izany amin'ny herinandro ambony anatin'izao hafanaina be eto Iarivo izao. Ho fitsenana ny voalohan'ny volana novambra ihany koa. Samy tsy hisy ho diso anjara ny sokajin-taona rehetra. Azo atao tsara, araka izany, ny miala voly, manao fanatanjahatena anatin'ny vanim-potoanan'ny hafanam-be tahaka ny miseho eto Analamanga izao.
Pati
Légende : Ny filomanosana dia sady fialana voly no fanatanjahatena feno !
 

Dans la même rubrique

27-oct-2026

Maherin'ny 1000 miliara Ar

Card image cap
27-oct-2026

PRRM fa isika mba ahoana?»

Card image cap
27-oct-2026

Tsy tsindry amin’ny facebook no

Card image cap
27-oct-2026

Nambaran’ny Minisitera fa tsy ankatoaviny

Card image cap
27-oct-2026

notolorana mari-pahaizana sy lasi-piofanana

Card image cap
27-oct-2026

Mankarary no sady manakana ny orana tsy hilatsaka

Card image cap