airtel

Actualités

22-avril-2024

VANIM-POTOANAN’NY RIRININA

Miha betsaka ireo olona marary tonga manatona mpitsabo

Sample post image

Efa miditra tsikelikely mankany amin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika izao raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo Mandimbison Rija.

22-avril-2024

Efa izy ilay mamirifiry amin’ny maraina sy hariva izy raha araka ny fanazavany antony mampirongatra ireo karazan’aretina toy ny aretim-bavony, ny sery, ny gripa, ny kohoka, ny aretin’ny vanin-taolana….Lasa mihabetsaka indray vokatr’izany ireo olona tonga manatona mpitsabo raha araka ny fanazavany tato anatin’ny tapa-bolana izao. Vokatry ny fihenan’ny hery fiarovana no anton’izany noho ny tsy fahazakan’ny vatan’olombelona ilay fiovana tampoka. Vahaolana arosony ny tokony handehanana dia an-tongotra 30 minitra isan’andro raha kely rehefa tsy mahavita mitaiza vatana amin’ny fanaovana fanatanjahantena. Toraka izany koa ny fanaovana fitafiana mifanaraka amin’ny toetr’andro indrindra fa ny fihinanana voankazo sy legioma betsaka. Tokony ho ampy torimaso tsara ihany koa ny olona iray. Rehefa maivana anefa ny lamba firakotra na ny fitafiana hanaovana amin’ny alina dia ho voahelingelina ny torimaso ka tokony hotandrovana fatratra ihany koa izany. Tsiahivina moa fa manana karazam-bokatra natoraly hahafahana mampiakatra hery fiarovana izy ireo toy ny Calvit izay zarainy maimaim-poana ho an’ireo marary ao aminy matetika….
Pati
Legende : Mandimbison Rija, mpitsabo eo anivon’ny Centre Ainasoa etsy Namontana !

 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

Feno 7 taona katroka omaly 02 mey 2024 ny onjam-peo Top Radio 102.8 FM amin’ny endriny ankehitriny

Card image cap
03-mai-2024

Tsy afa-misaraka amin’ny hery politika na «régime politique»

Card image cap
03-mai-2024

Mampita vaovao marina sy manabe ny fiarahamonina no isan’ny andraikitry ny mpanao gazety

Card image cap
03-mai-2024

voahosotry ny big win philantrophy ho tompondakan’ny fanjarian-tsakafo ingahy Filoham-pirenena Malagasy.

Card image cap
03-mai-2024

Notokanana omaly 02 mey 2024 ny tobim-pamokarana avy amin’ny rano ao Behenjy, distrikan’Ambatolampy,

Card image cap
03-mai-2024

Lehilahy Malagasy efa manodidina ny 40 taona i Jean Mickael Rakotoniaina.

Card image cap