airtel

Actualités

09-sept-2026

Vohemar

Trozona 20-30 metatra maty

Sample post image

Trozona iray, tombanana ho 20 ka

09-sept-2026

hatramin’ny 30 metatra ny halavany, no voalaza fa hita faty teny amin’ny ranomasina Nosibe, tokony ho 10 km avaratra atsinanan’i Vohemar, ao amin’ny Fokontany Andampikely, Kaominina Ampondra. Ny 8 Septambra 2026 tamin’ny 2 ora sy 20 minitra tolakandro no naharay ny fampandrenesana avy amin’ny mpanjono iray ireo tompon’andraikitra, raha toa ka ny 7 Septambra tokony ho tamin’ny 4 ora hariva no nahitana ilay trozona. Tsy mbola afaka nidina teny an-toerana ireo tompon’andraikitra noho ny toetr’andro ratsy sy ny tsy fahampian’ny fitaovana. Vinavinaina ny hanaovana izany anio, raha mamela ny toetry ny ranomasina. Nampitandremana ny mponina manodidina mba tsy hihinana ny henan’ilay trozona, noho ny loza mety hitranga amin’ny fahasalamana. Raha ny fanazavana ara-tsiantifika tsotsotra, ny fahafatesan’ny trozona dia vokatry ny fifangaroan’ny antony voajanahary sy olombelona. Matetika izy ireo maty noho ny fahanterana, aretina, na fahaverezan-tsakafo,… Manana faharetam-pahavelomana lava izy, miovaova arakaraka ny karazana. Ny Bowhead whale mety hahatratra 200 taona na mihoatra, ary izy no biby mampinono manana fiainana lava indrindra fantatra ; ny Southern right whale afaka miaina hatramin’ny 130–150 taona ; ny Blue whales eo ho eo amin’ny 110 taona ; ny fin whale mety hahatratra 114 taona; ny north Atlantic right whale izay matetika tsy mihoatra ny 22–50 taona noho ny antony avy amin’ny olombelona. Ny trozona dia miaina amin’ny fifindra-monina lavitra izay mitondra azy avy any amin’ny ranomasina mangatsiaka manodidina an’i Antarctique ho any amin’ny ranomasina mafana aty amin’ny Indianina. Rehefa tonga ny ririnina dia miakatra amin’ny lalana lavitra izy ireo, mandalo amin’ny lakandranon’i Mozambika sy manodidina an’i Madagasikara, mitady toerana milamina sy mafana ho an’ny fiterahana. Ny humpback whales no tena maro tonga any amin’ny Ranomasina Indianina, miaraka amin’ny Bryde’s whales sy blue whales indraindray hita. Ny antony lehibe mahatonga azy ireo ho aty amin’ny faritra misy antsika izany dia ny fampitomboan-taranaka, ny fiarovana ny zanany, ny fifandraisana ataon’ny trozona lahy,...
Toky R


 

Dans la même rubrique

09-sept-2026

rano fisotro madio tsy tapaka ny fanjakana

Card image cap
09-sept-2026

andrasana anio tohiny…

Card image cap
09-sept-2026

1 200.000 Ar no saran’ny

Card image cap
08-sept-2026

Famatsiam-bola 1,085 miliara dolara

Card image cap
08-sept-2026

tsirairay no tsy hampiverina krizy intsony»

Card image cap